Hijery ny anatiny

Fiara tratran’ny tondra-drano, eo amin’ny lalana mankany an-tranon’ny fianakaviana iray Vavolombelon’i Jehovah, any Harlingen, Texas

10 JOLAY 2019
ETAZONIA

Rivo-mahery sy Tondra-drano any Texas Atsimo

Rivo-mahery sy Tondra-drano any Texas Atsimo

Nisy rivo-mahery sy oram-be tany amin’ny faritra atsimon’i Texas tamin’ny 24 Jona 2019. Milaza ny filazam-baovao hoe an-jatony ny trano tondraky ny rano ary olona 100 mahery no tsy maintsy nafindra toerana.

Tsy nisy mpitory naratra tamin’ilay loza, saingy 47 kosa no nafindra toerana. Trano 65 ipetrahan’ny mpiara-manompo koa no simba, ary simba koa ny trano iray ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

Mampahery an’ireo tratran’iny loza iny ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy. Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray koa mikarakara ny filasiana sy ny fizarana sakafo sy rano ary akanjo. Efa nanomboka nanadio sy nanamboatra an’ireo trano simba sy ilay trano ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny mpiara-manompo.

Manohana an’ireo mpiara-manompo amintsika any amin’ny faritra atsimon’i Texas foana isika. Mitoky amin’i Jehovah izy ireo rehefa miezaka miarina amin’iny loza iny.—Isaia 26:3, 4.