Hijery ny anatiny

23 AOGOSITRA 2019
ETAZONIA

Saint Louis, Etazonia: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Saint Louis, Etazonia: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 16-18 Aogositra 2019

  • Toerana: The Dome at America’s Center, any Saint Louis, Etazonia

  • Fiteny: Anglisy, kroaty

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 28122

  • Tontalin’ny natao batisa: 224

  • Solontena avy any ivelany: 5000

  • Sampana nasaina: Afrika Atsimo, Aostralazia, Arzantina, Eoropa Afovoany, Failandy, Frantsa, Grande-Bretagne, Japon, Kanada, Kolombia, Kroasia, Philippines, Polonina, Portogaly, Serbia, Skandinavia, Slovaquie-Tchéquie

  • Fitantarana: Hoy i Martin Gulley, talen’ny serasera ao amin’ny Metrolink: “Afaka miteny ianao hoe tianao ny olona iray. Afaka miteny ianao hoe tianao ny zavatra iray. Raha mbola tsy asehonao amin’ny ataonao anefa izany dia mbola tsy tena tianao ilay olona na ilay zavatra. Asehonareo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny ataonareo ny fitiavanareo. Manetry tena ianareo, dia ny fitiavana no mahatonga ny olona hanetry tena fa tsy hanambony tena. Ity karatra amin’ny akanjoko ity no ahafantarana hoe mpiasan’ny Metrolink aho. Ny anareo indray, fitiavana no amantarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ianareo.”

    Hoy koa i Jerry Vallely, talen’ny serasera ao amin’ny Bi-State Development (kompania miezaka mampandroso ny toe-karena any Saint Louis): “Tsy hoe mamita asa fotsiny ianareo fa tena mieritreritra ny olona handray soa amin’ilay izy, ohatra hoe ny vahininareo, na ny olon-kafa miara-miasa aminareo, na izahay eto amin’ny Metrolink. Eritreretinareo daholo ny olona miara-miasa aminareo, dia ataonareo izay hahatonga ny asany hahafinaritra kokoa sy ho vita tsara kokoa.”

 

Rahalahy sy anabavy miandry ny hahatongavan’ny solontena avy any ivelany, ao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Lambert, any Saint Louis

Miaraka manao fampirantiana amin’ny mpitory ao Saint Louis ny solontena avy any ivelany

Rahalahy sy anabavy manadio an’ilay toerana hanaovana fivoriambe

Ny 3 amin’ireo rahalahy sy anabavy 224 natao batisa

Manao ny lahateny famaranana alahady ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

Manaraka ny fandaharana ny mpanatrika sady mitsikitsiky

Manofahofa tanana amin’ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa, ny alahady

Maka sary miaraka amin’ny vahiny ny rahalahy sy anabavy eo an-toerana

Mijery biby ao amin’ny Saint Louis Zoo ny solontena avy any ivelany

Ao amin’ny tranomboky iray ao Saint Louis ny solontena avy any ivelany ary mijery Baiboly anisan’ny navoaka voalohany tamin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy) tamin’ny 1611. Nieritreritra an’ireo vahiny ho avy ny mpiasan’ilay tranomboky ka nosokafany teo amin’ny Salamo 83:18 ilay Baiboly

Ankizy mihira mandritra ny korana takariva