Hijery ny anatiny

20 NOVAMBRA 2019
ETAZONIA

Simban’ny Afo ny Ambanivohitr’i Kalifornia

Simban’ny Afo ny Ambanivohitr’i Kalifornia

Nisy afo maromaro nirehitra tany Kalifornia tato anatin’ny volana vitsivitsy, ka faritra 362 kilaometatra toradroa eo ho eo no kila forehitra.

Nilaza ny sampan’i Etazonia fa rahalahy sy anabavy 1700 mahery no tsy maintsy nafindra toerana. Nilaza koa ilay tatitra fa tsy nisy mpiara-manompo maty na naratra. Nanomboka nirehitra tany Calimesa ilay afo nantsoina hoe Sandalwood, tamin’ny 10 Oktobra 2019, ka rava ny tranon’ny mpiara-manompo iray. Nisy simba kely koa ny trano sasany, vokatry ny setroka. Efa tafaverina any an-tranony izao ny ankamaroan’ireo nifindra toerana.

Hoy ny anti-panahy iray ao amin’ilay faritra tratran’ny loza: “Tena zava-dehibe ny manaraka toromarika rehefa hoatr’ireny. Tonga dia niala ny toerana mampidi-doza ny mpiara-manompo amintsika. Afaka niasa tsara àry ny mpamono afo fa tsy lany fotoana nitady olona.”

Miara-miasa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy mba hizara fanampiana ho an’ireo nifindra toerana. Niavaka ny fitiavana sy ny fikarakaran’ny mpitory any amin’ny faritra manodidina. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray momba ny fitiavana nasehon’ny mpiara-manompo: “Tsy sarotra taminay ny nitady trano ho an’ny mpiara-manompo rehetra tsy maintsy nifindra toerana.”

Misaotra an’i Jehovah isika satria nomeny rahalahy sy anabavy afaka “nanampy sy nankahery” an’ireo mpiara-manompo tratran’iny loza iny.—Kolosianina 4:11.