Hijery ny anatiny

Tranon’ny rahalahy iray any Ashland, Nebraska, tratran’ny tondra-drano. Efa nanomboka nanadio an’io trano io ny mpiasa an-tsitrapo.

16 APRILY 2019
ETAZONIA

Tondra-drano Be any Amin’ny Faritra Afovoan’i Etazonia

Tondra-drano Be any Amin’ny Faritra Afovoan’i Etazonia

Oram-be sy lanezy nitsonika no nahatonga an’ilay tondra-drano be tany Nebraska sy Iowa tamin’ny tapatapaky ny Martsa 2019. Niakatra be mihoatra noho ny hatramin’izay ny renirano tao amin’io faritra io ka nihoatra ny barazy. Trano an-jatony no simba ary olona efatra, fara fahakeliny, no maty.

Nanao tatitra ny biraon’ny sampan’i Etazonia hoe tsy nisy maty na naratra ireo mpitory 5123 ao amin’ilay faritra. Mpitory 84 kosa no tsy maintsy niala tao an-tranony. Trano 8 ipetrahan’ny mpiara-manompo koa no simba be ary 34 no misy fahasimbana kely.

Efa nanomboka nanadio ny mpiasa an-tsitrapo avy amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah manodidina. Miara-miasa amin’ny mpanao fanorenana any izy ireo. Manao fandaharana koa ny mpiandraikitra ny faritra mba hampaherezana an’ireo tratran’ny loza.

Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika isika mba hampahery azy ireo foana ny fanampiana avy amin’ny rahalahy sy ny hevitra avy ao amin’ny Baiboly, amin’izao loza mahazo azy ireo izao.—2 Korintianina 1:3, 4.