Hijery ny anatiny

27 AOGOSITRA 2021
ETAZONIA

Tondra-drano Nandravarava Tany Gila Bend, any Arizona

Tondra-drano Nandravarava Tany Gila Bend, any Arizona

Nisy oram-be nivatravatra tamin’ny alin’ny 13 Aogositra 2021, ka faritra maro tany Arizona sy tany andrefan’i Texas no tratran’ny tondra-drano. Ny tanànan’i Gila Bend, any Arizona, no tena voa mafy.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mampalahelo fa anabavy 1 no maty vokatr’ilay loza

  • Trano 5 ipetrahan’ny mpiara-manompo no simba

  • Fianakaviana 3 no tsy maintsy nafindra toerana

Fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy sady mandamina filasiana vonjimaika ho an’ireo tsy maintsy nafindra toerana

  • Manaraka tsara ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana

Mivavaka ho an’ireo tratran’iny loza iny isika. Enga anie ka hampionona foana ny fianakavian’ilay anabavy malalantsika maty i Jehovah.​—2 Korintianina 1:3, 4.