Hijery ny anatiny

8 OKTOBRA 2013
ETAZONIA

Tondra-drano Tany Colorado

Tondra-drano Tany Colorado

Nisy oram-be nivatravatra tany Colorado, any Etazonia, tamin’ny tapatapaky ny volana Septambra teo. Lasa nisy tondra-drano be àry vokatr’izany ka tapaka ny lalana, trano maro no rava, ary olona valo, fara fahakeliny, no maty. Araka ny tatitra, dia tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra na maty. Tsy maintsy nesorina tao amin’ny tranony anefa ny fianakaviana 70 izay Vavolombelon’i Jehovah nipetraka tany amin’ny faritra tena voa mafy. Miezaka mikarakara an’izay ilain’izy ireo maika izao ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah any, ary mitady trano vonjimaika ipetrahan’izy ireo.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000