11 AOGOSITRA 2023 | VAOVAO FARANY: 29 SEPTAMBRA 2023
ETAZONIA
VAOVAO FARANY: Afo Nandravarava Faritra Maro Tany Hawaii, any Etazonia
Nitatra haingana be ny afo tany Maui, nosy ngeza indrindra faharoa any Hawaii, tamin’ny 8 Aogositra 2023, satria notsofin’ny rivotra mahery avy amin’ny rivo-doza tany an-dranomasina. Nopotehin’ilay afo daholo na fitaovam-pifandraisana na trano na orinasa. Nasain’ny manam-pahefana nifindra toerana ny olona tany amin’ny faritra maro. Olona 97, fara fahakeliny, no voalaza fa maty. Miezaka mamono afo kelikely kokoa ao amin’ilay Nosy Lehibe koa ny mpamonjy voina.
Avy amin’ny tatitra voalohandohany nataon’ny rahalahy any an-toerana ny fanazavana eo ambany.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mampalahelo fa nisy rahalahy iray be taona maty vokatr’ilay afo
Mpitory 307 no nafindra toerana
Trano 42 no potika
Trano 2 no nisy simba be
Trano 38 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana iray no nisy simba kely
Fanampiana tra-boina
Mampahery ny tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, sady manampy an-dry zareo
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray no notendrena mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina
Tena miteraka olana be ho an’ny olona maro ny toetrandro ratsy amin’izao andro farany izao, dia mijaly vokatr’izany koa ny rahalahy sy anabavintsika. Efa tsy andrintsika ny fotoana hanesoran’ny Fanjakan’Andriamanitra an’izany.—Marka 4:39.