Hijery ny anatiny

13 JANOARY 2020
ETAZONIA

Vaovao Farany: Fanampiana An’ireo Tratran’ny Rivo-doza Dorian

Nalefa Sambo sy Fiaramanidina ny Fanampiana sy ny Mpiasa An-tsitrapo

Vaovao Farany: Fanampiana An’ireo Tratran’ny Rivo-doza Dorian

Namely an’i Bahamas ny Rivo-doza Dorian, tamin’ny 1 Septambra ka hatramin’ny 3 Septambra 2019. Mbola tsy namely akory ilay rivo-doza dia efa nanomboka nikarakara ny fanampiana tao Floride ny sampan’i Etazonia. Tonga dia lasa ny rahalahy manana sambo sy fiaramanidina, raha vao fantatra hoe tsy mampidi-doza intsony ny manao dia. Anisan’ny nitondra fanampiana voalohany tany amin’ireo nosy tratran’ny loza izy ireo.

Nanao dia ana habakabaka 300 mahery ny rahalahy sy anabavy mpanamory 13 ary nanatitra fanampiana 15 taonina sy mpiasa an-tsitrapo 700 mahery. Sambo 13 an’ny mpiara-manompo koa no nanaterana fanampiana efa ho 90 taonina. Adiny 12 eo ho eo ny dia mandroso sy miverina, avy eo Floride mankany Bahamas.

Hoy i Jose Cabrera, mpiandraikitra ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Palm Beach, any Floride: “Tonga dia lasa ny [fiaramanidin’ny Vavolombelon’i Jehovah] mba hitondra fanampiana, raha vao lasa ilay rivo-doza. Tena hafa mihitsy ry zareo satria manampy be mihoatra noho izay eritreretina.”

Hoy ny Rahalahy Glenn Sanders, iray amin’ireo nanolo-tena hanamory fiaramanidina: “Tamin’iny ny maro taminay vao mba nampiasa ny traikefany hanampiana mpiara-manompo. Faly be aho rehefa mieritreritra hoe rantsambatana kely amin’ilay vatana izahay nefa afaka nanampy ny rantsambatana hafa mijaly.”—1 Korintianina 12:26.

Araka ny tombantomban’ny sampan’i Etazonia, dia 1 750 000 dolara amerikanina eo ho eo ny vola ho lany amin’ny fanampiana tra-boina any Bahamas, ary ho vita alohan’ny 1 Mey 2020 izany.

 

Fanampiana halefa sambo avy eo Floride, Etazonia. Nivezivezy nanao dia an-dranomasina in-29 nankany Bahamas ny mpiara-manompo

Tondraky ny rano ny seranam-piaramanidin’i Great Abaco, any Bahamas

Mitazana avy ao anaty fiaramanidina