Hijery ny anatiny

Ankavia: Olona an’arivony no naheno an’ilay lahatenin’ny Rahalahy Joseph F. Rutherford. Nampirisika ny olona hitory momba an’ilay Mpanjaka sy ny Fanjakana izy tao amin’ilay lahateny, izay natao tamin’ilay fivoriambe sivy andro nanan-tantara tany Cedar Point, Ohio, Etazonia. Ankavanana: Rahalahy Rutherford mampiasa mikrô mandritra ny fivoriambe, mba haheno azy tsara ilay vahoaka

6 OKTOBRA 2022
ETAZONIA

Zato Taona Lasa Izay Ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Tany Cedar Point

Tranombakoka Vaovao Mampiseho Zava-nitranga Miavaka

Zato Taona Lasa Izay Ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Tany Cedar Point

Anisan’ny zava-nitranga niavaka teo amin’ny tantarantsika ankehitriny ilay tamin’ny 5-13 Septambra 1922, tamin’ny zato taona lasa. Nanao fivoriambe sivy andro ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay, tany Cedar Point, Ohio, any Etazonia. Nisy solontena avy any Etazonia sy Kanada ary Eoropa nanatrika an’ilay fivoriambe. Nisy 10 000 teo ho eo isan’andro no nanatrika an’ilay izy, ary indray nadika tamin’ny fiteny 11 be izao ny lahateny.

Nisy tranombakoka vaovao nampiseho an’io fivoriambe manan-tantara io, nosokafana tany amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nasongadina tao ny vokatr’ilay fivoriambe teo amin’ny asa fitoriana. Mbola ny fianakavian’ny Betela ihany aloha izao no afaka mijery an’io tranombakoka io, fa rehefa azo tsidihina indray ny Betela dia ho afaka hitsidika azy io koa ny olon-kafa rehetra.

Ny 8 Septambra no tena niavaka indrindra tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point. Nisy 8 000 teo ho eo mantsy ny mpanatrika tao amin’ilay efitrano lehibe, teo amin’ilay farihy tsara tarehy atao hoe Farihy Érié. Tonga mba hihaino an’ilay lahatenin’ny Rahalahy Joseph F. Rutherford hoe “Ilay Fanjakana” izy ireo.

Nandaha-teny adiny iray sy sasany teo ny Rahalahy Rutherford, dia avy eo nanontaniany mafy be ny mpanatrika hoe mino ve ry zareo fa efa manjaka i Kristy. Tsy nisalasala ilay vahoaka namaly mafy be hoe “Eny.” Dia hoy ny Rahalahy Rutherford avy eo: “Ianareo no irahiny hampahafantatra an’izany. Noho izany dia ambarao, ambarao, ambarao!” Vao avy niteny an’izany izy, dia nisy lamba ngezabe nihorongorona nosokafana. Nisy soratra teo amin’ilay lamba hoe: “Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.”

Nafana fo be daholo ny mpanatrika handeha hanompo rehefa naheno an’ilay fampirisihana hoe hitory. Maro tamin’ny mpanatrika no efa nitory, kanefa vao mainka nampahazoto an-dry zareo hiezaka kokoa ilay lahatenin’ny Rahalahy Rutherford. Vao mainka voalamina tsara mantsy ny asa fitoriana tamin’izay. Hoy ny Anabavy Ethel Bennecoff, 30 taona latsaka kely teo ho eo tamin’izay: ‘Vao mainka nazoto sy natosiky ny fitiavana ny Mpianatra ny Baiboly, rehefa avy naheno an’iny lahateny nampientanentana be iny.” Hoy koa ny Anabavy Odessa Tuck, izay 18 taona tamin’ny 1922: “Tena te ho hoatran’i Isaia aho. Hozy izy hoe: ‘Intỳ aho iraho!’”

Batisa tamin’ny 1922, tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Cedar Point

Nisy fanapahan-kevitra nolanin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, roa andro taorian’ilay lahatenin’ny Rahalahy Rutherford. Izao no ampahany tamin’ilay izy: “Satria Kristianina isika, dia tapa-kevitra ny hankatò sy hanaraka an’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, ka tsy manaiky handray anjara amin’ny ady, na tolom-bahoaka, na korontana ara-politika, na herisetra, na hoatran’ny ahoana izany na hoatran’ny ahoana. Tsy mampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hamitahana olona koa isika. Tena mitady fihavanana kosa isika.” Tena nampiavaka ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny fivavahana hafa io fanapahan-kevitry ry zareo io. Vao nanohana ny ady sy ny famonoana olona tamin’ny Ady Lehibe I mantsy ny fivavahana hafa tamin’izany, ary mbola izay ihany moa no nataon-dry zareo taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny Ady Lehibe II.

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jona 1922: “Hanao an’izay rehetra azontsika atao isika mba hoe io fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny 1922 io no hiavaka indrindra amin’ny fivoriambe rehetra. . . . Enga anie izy io ka tsy ho faty ao an-tsain’ireo namana an’arivony hanatrika an’io fivoriambe io.”

Dia izay mihitsy tokoa no nitranga satria tratran’izy ireo izany tanjona izany! Efa zato taona izay no lasa nefa mbola mitahy an’ilay asa ihany i Jehovah, ka manambara an’ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany foana isika hatramin’izao.​—Matio 24:14.