Hijery ny anatiny

13 DESAMBRA 2017
ETAZONIA

Tsy Mety Mijanona ny Afo Mamely An’i Kalifornia Atsimo

Tsy Mety Mijanona ny Afo Mamely An’i Kalifornia Atsimo

Miezaka mamono afo any amin’ny faritra enina any Kalifornia Atsimo izao ny mpamono afo. Velaran-tany iray hetsy hektara mahery no efa may any Los Angeles, Riverside, San Diego, Santa Barbara, ary Ventura.

Araka ny tatitra voalohandohany, dia mpitory 484 no niala tamin’ny tranony ary nifindra tany amin’ny havany na ny mpiara-manompo any amin’ny faritra azo antoka kokoa ny ankamaroany. Trano enina an’ny mpiara-manompo no rava tanteraka ary telo no simba. Mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy niharan’ny loza, amin’ny alalan’ny Baiboly, ny anti-panahy sy mpiandraikitra ny faritra any sady manampy azy ireo.

Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavintsika foana isika. Tsy andrintsika ny hahatanterahan’ilay Ohabolana 1:33 hoe: “Fa izay mihaino ahy kosa tsy hanana ahiahy, sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000