Hijery ny anatiny

15 NOVAMBRA 2018
ETAZONIA

Nandravarava An’i Kalifornia ny Afo

Nandravarava An’i Kalifornia ny Afo

Vaovao farany: Nohamafisin’ny biraon’ny sampan’i Etazonia fa maty koa ny rahalahy iray 70 taona vokatr’ilay afo antsoina hoe Camp Fire tany Paradise, any amin’ny faritra avaratr’i Kalifornia.

Loza mpitranga any amin’ny faritra sasany ny afo. Misy afo lehibe telo toy izany tany Kalifornia, any Etazonia, ka betsaka ny zavatra may ary olona 48, fara fahakeliny, no maty. Antsoina hoe Camp Fire ilay afo tena mandravarava indrindra, ary mbola mamely ny faritra avaratr’i Kalifornia izy io izao. Velaran-tany 47000 hektara no efa may ary tombanana ho 7100 ny foto-drafitrasa efa ravany, ka trano fonenana ny ankamaroany. Any amin’ny faritra atsimon’i Kalifornia kosa ny roa ary antsoina hoe Hill Fire sy Woolsey Fire. Velaran-tany 38000 hektara no efa main’izy ireo raha atambatra, ary tombanana ho 435 ny trano may. Misy mpanao gazety milaza hoe raha atambatra ny velaran-tany may tany Kalifornia tamin’ity taona ity, dia ho “lehibe noho i Belzika sy Luxembourg” izany.

Araka ny tatitra voalohandohany avy amin’ny biraon’ny sampan’i Etazonia, dia mpitory 427 teo ho eo no tsy maintsy niala tany Chico sy Paradise rehefa nirehitra ilay afo Camp Fire. Nampalahelo fa nisy anabavy be taona maty tao amin’ny Fiangonana Ponderosa. Voamarina koa hoe 94, fara fahakeliny, ny tranon’ny mpiara-manompo rava na simba be, ary Efitrano Fanjakana iray any Paradise no rava.

Mpitory 420 teo ho eo avy any Oxnard sy Simi Valley ary Thousand Oaks no nifindra toerana rehefa nirehitra ny afo Hill Fire sy Woolsey Fire. Nampalahelo fa namoy ny ainy ny rahalahy iray tany Malibu sy ny reniny tsy Vavolombelona, rehefa nandositra an’ilay afo. Araka ny tatitra voalohandohany voaray, dia trano 21 an’ny mpiara-manompo amintsika sy Efitrano Fanjakana iray no simba.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky roa ny biraon’ny sampana mba hikarakarana an’izay ilain’ny rahalahy sy anabavy. Manaraka ny toromariky ny mpiandraikitra ny faritra ny anti-panahy ka mampahery sy manampy an’ireo mpitory niharan’iny loza iny. Nisy fandaharana manokana natao tany Chico, tamin’ny asabotsy 10 Novambra, ary rahalahy sy anabavy 270 mahery no nanatrika an’izany. Nanao lahateny mampahery niorina tamin’ny Soratra Masina ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia sy ny mpiandraikitra ny faritra vitsivitsy.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy miatrika fotoan-tsarotra ireo isika. Enga anie izy ireo ka homen’i Jehovah hery sy tanjaka ka hitadidy foana hoe kely sisa dia hofafany ny ranomasontsika ary hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana!—Isaia 25:8.