Hijery ny anatiny

26 OKTOBRA 2016
ETAZONIA

Amidin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 97 Columbia Heights

Amidin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 97 Columbia Heights

Ny Hotel Margaret no trano avo indrindra teo Brooklyn nandritra ny taona maro.

NEW YORK—Nambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny alarobia 26 Oktobra 2016, hoe amidiny ny tranony ao amin’ny 97 Columbia Heights any Brooklyn, New York. Eo amin’ny sisiny avaratra amin’ny Brooklyn Heights no misy an’io trano fonenana misy rihana folo io. Mahatazana tsara ny tanànan’i Manhattan sy ny renirano East River eo amin’io trano io.

Nasiana an’ireo zavatra mampiavaka an’ilay hotely taloha ny 97 Columbia Heights. Naverina nasiana an’ireo varahina somary miofo ilay izy, natao volontany ny rindrina, ary natao tamin’ny zoron’ilay trano ireo varavarankely toy ny lavarangana.

Tao amin’io trano io ny Hotel Margaret taloha saingy main’ny afo izy io tamin’ny 1980. I Stanton Eckstut, mpanao mari-trano, no nasaina nanao ny planin’ilay trano vaovao, ary nasaina notazoniny ireo zavatra mampiavaka an’ilay hotely taloha. Naverina nasiana an’ireo varahina somary miofo, ohatra, ilay izy. Natao volontany koa ny rindrina, ary natao tamin’ny zoron’ilay trano ireo varavarankely toy ny lavarangana. Mbola tsy vita ilay trano, tamin’ny 1986, rehefa namidy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary lasa fonenan’ireo miasa ao amin’ny foiben’izy ireo. Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny foiben’izy ireo: “Olona an-jatony tao aminay no nipetraka tao amin’ny 97 Columbia Heights, tato anatin’ny 30 taona. Tena tsara ilay trano fonenana sy ny toerana misy azy ary mihaja be ilay izy.”

Mirefy 8232 metatra tora-droa ilay trano, ary misy trano fonenana 97. Miaraka amin’ny lavarangana mitokana ny trano sasany. Misy lavarangana koa any an-tampon’ilay trano. Misy toerana azo ametrahana fiara ao anatin’ilay trano, ary avy eo amin’ny Orange Street ny fidirana.

Hoy Atoa Semonian: “Efa nafindra tany Warwick, New York, any amin’ilay foibenay vaovao, ny mpiasa sy ny biraonay. Tamin’ny 1 Septambra 2016 no nanomboka niasa ilay foibe any Warwick. Ny fivarotana ny 97 Columbia Heights no dingana farany amin’ny fifindranay.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000