Hijery ny anatiny

1 JONA 2016
ETAZONIA

Namidin’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Trano hoe Towers any Brooklyn

Namidin’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Trano hoe Towers any Brooklyn

Ilay Hotely Towers, tamin’ny voalohandohany

NEW YORK—Nilaza ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 24 Mey 2016 fa anisan’ireo trano hamidy ilay trano hoe Towers. Trano fonenana misy rihana 15 izy io. Anisan’ireo trano efa taloha be any Brooklyn Heights izy io, ary any amin’ny 21 Clark Street no misy azy. Hotely izy io taloha, ary mirefy 29150 metatra toradroa ny velarany. Mampiavaka azy io ireo tilikambo efatra eny an-tampony. Efa 90 taona teo ho eo izay no nanorenana azy, ary anisan’ireo trano ngeza indrindra any Brooklyn izy io.

Hotely nantsoina hoe Leverich Towers izy io tamin’ny voalohany, ary tamin’ny 1928 ilay izy no nanomboka nisokatra. I Starrett & Van Vleck no nanao ny mari-tranon’ilay izy. Mpanao mari-trano malaza izy ireo, ary anisan’ny sangan’asany koa ireo fivarotana lehibe antsoina hoe Lord & Taylor sy Saks Fifth Avenue. Olon-kafa no lasa tompon’ilay Hotely Leverich Towers, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka novany hoe Hotely Towers ny anaran’ilay izy. Misy haingony hoatran’ny tamin’ny trano fahiny ilay izy. Nahitana efitra fandihizana nisy fitoeran-jiro nihantona koa tao. Misy terasy koa eny an-tampony, ary tazana tsara avy eny i Manhattan Ambany sy ny seranan-tsambon’i New York ary ny Tetezan’i Brooklyn. Nantsoina hoe “Ny Mpanjakan’ny Hotely any Brooklyn” àry izy io tamin’izany.

Ilay tohatra lehibe ao amin’ny Towers. Vita avy amin’ny hazo acajou ny arofaniny sady ngeza be. Misy arkady anankitelo misy sary hoatran’ny tena izy manatrika an’ilay tohatra.

Lasa simba anefa ilay hotely tsara be, tamin’ny 1970 tany ho any. Novidin’ny Vavolombelona ilay izy tamin’ny 14 Janoary 1975. Vitan’izy ireo ny nanavao azy tamin’ny 1978, mba hipetrahan’ireo olona 1000 mahery niasa tao amin’ny foiben’izy ireo. Nasiana trano isakafoanan’izy ireo koa tao. Hoy i Richard Devine, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Lasa be dia be ny zavatra tsy maintsy nataonay pirinty, dia nihanitombo koa ny mpiasa nilainay. Tena nila toerana malalaka àry izahay. Tena natao ho anay mihitsy ilay Towers.”

Raha mijery any avaratra ianao rehefa eny amin’ilay terasy eny an-tampon’ilay Towers, dia mahatazana an’ireo trano misy ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny tetezan’i Brooklyn sy Manhattan, ary ny Empire State Building.

Nisy asa be nataon’ny Vavolombelona nanomboka tamin’ny 1995, mba ho lasa tsara be hoatran’ny tamin’ny voalohany ilay trano. Hoy i Atoa Devine momba izany: “Nohavaozina tanteraka ny tao anatin’ilay trano tamin’ny 1990 tany ho any, ary nosoloana ny fantson-drano sy ny fitaovana rehetra mampandeha ny herinaratra. Nasiana tohatra lehibe tena tsara tarehy koa eo amin’ny toerana fandraisana olona, midina mankany amin’ny efitra fisakafoana.”

Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe: “Rehefa mandeha any Brooklyn Heights ianao ka tonga eny amin’ny Towers, tonga dia manaitra be ilay izy. Tena tsara tarehy ilay trano ary niezaka be izahay nikolokolo azy. Tena nampahazo aina an’ireo mpiasa ao amin’ny foibenay koa anefa ny nipetraka tao nandritra ny taona maro.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +17185605000