Hijery ny anatiny

22 APRILY 2013
ETAZONIA

Baomba Nipoaka Tamin’ilay Hazakazaka Tany Boston

Baomba Nipoaka Tamin’ilay Hazakazaka Tany Boston

Nisy baomba roa nipoaka teo akaikin’ny tsipika fahatongavana tamin’ilay fifaninanana hazakazaka tany Boston, tamin’ny 15 Aprily 2013 ka 3 no maty ary 176 no naratra. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra anefa araka ny tatitra voaray voalohany. Tonga nanampy voalohany an’ireo niharan-doza ny Vavolombelona sasany teo an-toerana. “Tsy manadino an’ireo niharan-doza sy ny fianakaviany izahay ary mivavaka ho azy ireo”, hoy i J. R. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelona. “Ny imasoanay izao dia ny hitondra fampaherezana avy ao amin’ny Soratra Masina ho an’ireo kivy noho ny zava-mitranga mahavaky fo sy feno habibiana toy izao.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000