Hijery ny anatiny

14 Jona 2018
ETAZONIA

Ny Herim-pon’izy Mirahavavy Kely no Nahatonga An’ilay Didim-pitsarana Nivoaka Tamin’ny 1943

Ny Herim-pon’izy Mirahavavy Kely no Nahatonga An’ilay Didim-pitsarana Nivoaka Tamin’ny 1943

Sivy taona i Gathie Barnett tamin’izay ary i Marie zandriny valo taona. Nijoro tamim-panajana sy nangina izy mirahavavy kely rehefa nanangan-tsaina ny mpiara-mianatra taminy. Nampiseho ny finoany ry zareo rehefa nanao an’izany. Tsy nampoizin-dry zareo hoe izay no hahatonga an’ilay raharaha ara-pitsarana niavaka teny amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina tamin’ny 1943. Nieritreritra fotsiny izy mirahavavy hoe amin’Andriamanitra ihany izy no tokony hianiana ny tsy hivadika. Nanaraka ny feon’ny fieritreretany amin’ny maha Kristianina azy izy roa vavy, hoatran’ny ataon’ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah an’arivony ihany.​—Asan’ny Apostoly 5:29.

Be herim-po i Gathie sy Marie, dia tsy nanaiky hanangan-tsaina. Voaroaka tsy nahazo nianatra tao amin’ny Slip Hill Grade School tany Virginie Andrefana izy ireo, noho izany. Tsy nilavo lefona ny dadany na dia tafakatra hatrany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina aza ilay raharaha. Namoaka didy ilay fitsarana tamin’ny 14 Jona 1943 hoe tsy mahazo manery ny mpianatra hanangan-tsaina ny sekoly. Nataony mazava tsara koa fa tsy mieritreritra ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy hanaja ny sainam-pirenena na ny tanindrazana. Nisy raharaha ara-pitsarana atao hoe Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis telo taona talohan’io. Namoaka didy ny fitsarana tamin’izay hoe mahazo alalana hitaky amin’ny mpianatra ny sekoly mba hanangan-tsaina. Nanafoana an’izany anefa ilay didim-pitsarana nivoaka tamin’ilay raharaha ara-pitsarana nahakasika azy roa vavy. Nantsoina hoe Filan-kevitry ny Fampianarana any Virginie Andrefana miady amin’i Barnette io raharaha io. a

Izao no nosoratan’ilay mpitsara atao hoe Robert Jackson momba an’ilay didim-pitsarana izay lanin’ny mpitsara enina tao anatin’ny sivy, tao amin’ny Fitsarana Tampony: “Misy toro lalana lehibe iray izay tsy hiova mihitsy ao amin’ny lalam-panorenantsika. Izany dia hoe tsy misy manam-pahefana, na ambony toy inona aza izy, manan-jo hanery ny hafa hitovy hevitra aminy amin’ny resaka politika, na tanindrazana, na fivavahana, na zavatra hafa. Tsy azony terena hilaza na hanao izay tiany ny olom-pirenena.”

Marina hoe ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah no tena nandray soa tamin’ilay didim-pitsarana. Milaza toy izao anefa i Andrew Koppelman, mpampianatra lalàna ao amin’ny Northwestern University: “Tokony hankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah ny Amerikanina miady ho an’ny zony. Niaritra fanenjehana mahery vaika mantsy izy ireo teto Etazonia mba hiarovana ny zony, ary mbola mandray soa amin’izany isika rehetra hatramin’izao.”

Milaza i Philip Brumley, mpanolo-tsaina momba ny lalàna ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa nisy akony tamin’ny lalàna tany an-tany hafa koa ilay didim-pitsarana. Izao no nohazavainy: “Nisy vokany be ilay didim-pitsarana Barnette. Nankasitraka azy io mantsy ny Fitsarana Tampony tany Arzantina, Kanada, Costa Rica, Ghana, Inde, Philippines, Rwanda, ary Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH). Nampiasa an’io didim-pitsarana io koa ry zareo rehefa nandamina raharaha ara-pitsarana.”

Nisy resadresaka natao tamin’ny 2006 mba hanasongadinana ny maha zava-dehibe an’ilay raharaha Barnette. Natao tao Robert H. Jackson Center, any New York, izy io. Nasaina hanatrika an’ilay izy i Gathie sy Marie ary manam-pahaizana sasantsasany. Izao no nolazain’i Marie: “Ny tena mahafaly an’ahy dia hoe nanampy ny ankizy tatỳ aoriana ilay izy.” Hoy i Gathie avy eo: “Tadidiko rehefa nasaina nankany amin’ny biraon’ny tompon’andraikitry ny sekoly ny zanako lahimatoa satria tsy nanaiky nanangan-tsaina. Hozy ilay tompon’andraikitra hoe: ‘Tsy tadidin’ny mpampianatra anareo angamba ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony.’”

Miombon-kevitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra i Gathie rehefa nilaza hoe: “Manaja ny sainam-pirenena sy izay tondroiny izahay, fa tsy mankahala an’izany. Tsy manangan-tsaina fotsiny izahay dia tsy manompo azy io koa.”​—1 Jaona 5:21.

a Diso ny nanoratan’ny mpitan-tsoratra tany amin’ny fitsarana ny anaran’ireo ankizy voakasika tamin’ireo raharaha ara-pitsarana ireo. Tokony hoe Gobitas sy Barnett ilay izy.