Hijery ny anatiny

9 DESAMBRA 2015
ETAZONIA

Fanorenana ny Foibe Vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah: Fotoana Be Mpiasa Indrindra

Fanorenana ny Foibe Vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah: Fotoana Be Mpiasa Indrindra

NEW YORK—Nanomboka tamin’ny Aogositra ka hatramin’ny Oktobra 2015 no namita an’ireo dingana lehibe tamin’ny fanorenana ny foibeny vaovao any Warwick, New York, ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpiasa an-tsitrapo 3800 isan’andro no tonga nanampy an’ireo mandray anjara amin’io tetikasa io.

Bisy efa ho 40 no nampiasaina isan’andro mba hitaterana ireo mpiasa an-tsitrapo 3800, nandritra ny fotoana nilana mpiasa betsaka indrindra.

Trano fisakafoana vonjimaika valo no nampiasaina ho an’ireo mpiasa an-tsitrapo.

Vavolombelon’i Jehovah 18000 mahery avy amin’ny lafivalon’i Etazonia no efa tonga nanampy tamin’ity tetikasa ity, hatramin’ny nanombohan’ny asa, tamin’ny Jolay 2013. Misy amin’izy ireo avy any Alaska sy Hawaii. Manodidina ny 400 ka hatramin’ny 500 ny mpiasa tonga, isaky ny asabotsy sy alahady. Nitombo ho 700 mahery izany nandritra ny fotoana nilana mpiasa be indrindra amin’ilay fanorenana. Betsaka amin’izy ireo no nanolo-tena hiasa an-tsitrapo nandritra ny herinandro ka hatramin’ny iray volana.

Hoy i Richard Devine, mpandrindra ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana (CPC) any Warwick: “Mety ho be olona loatra ny toeram-piasana satria an’arivony no hiasa eto isan’andro. Nasainay niasa nanomboka tamin’ny 3.00 tolakandro ka hatramin’ny 2.00 maraina àry ny mpiasa an-tsitrapo 400 teo ho eo tokony hiasa antoandro, mba hahatonga ny asa hilamina sy ho vita tsara.” Nandritra ny volana Mey ka hatramin’ny Septambra no nasiana an’izany.

Fidirana ao amin’ny foibe vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mody masoandro.

Nilaza ny CPC fa amin’ireo trano fonenana efatra, dia ho vita amin’ny Janoary 2016 ny roa, araka ny fandaharam-potoana efa napetraka. Nilaza koa anefa Atoa Devine fa “lasa aloha isika, satria efa vita sahady ny zavatra tokony ho vita afaka efa-bolana, noho ny fiaraha-mientan’ny tsirairay.” Ho vita alohan’ny 1 Septambra 2016 indray àry ireo trano fonenana roa ambiny sy ny trano hisy an’ireo birao sy fikojakojana, araka ny fandaharam-potoana vaovao.

Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, jerena avy eny ambony.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000