5 AOGOSITRA 2013
ETAZONIA
Manomboka Manorina ny Foibeny any Warwick ny Vavolombelon’i Jehovah
NEW YORK—Nanaiky ny hanorenan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny foibeny ao Warwick, any New York, ny manam-pahefana any. Nanomboka ny fanorenana àry ny Vavolombelona tamin’ny alatsinainy 29 Jolay 2013.
Samy nanaiky ny mari-tranon’ny foiben’ny Vavolombelona ny tompon’andraikitry ny fanajariana ny tanànan’i Warwick, tamin’ny alarobia 17 Jolay. Efa-taona katroka taorian’ny nahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ilay tany izany no nitranga, satria tamin’ny 17 Jolay 2009 izy ireo no nividy azy io. Azo atao amin’izay àry ny mangataka ny fahazoan-dalana hanao fanorenana. Nahazo ny fahazoan-dalana voalohany izy ireo tamin’ny zoma 26 Jolay ka nanomboka nangady fototra sy nanorina tamin’ny alatsinainy 29 Jolay.
Fomba fanorenana miaro ny tontolo iainana no ampiasain’ny Vavolombelona, ka izany no tena nahatonga ny tompon’andraikitry ny fanajariana ny tanàna hanaiky an’ilay izy. Nasian’izy ireo karazana fefy miaro ny tany tsy hokaohin’ny riaka, ohatra, ny manodidina an’ilay toerana. Miaro ny bibidia, toy ny bibilava misy poizina, koa ilay fefy satria manakana azy ireo tsy hanatona ny toerana anaovana fanorenana.
Hoy i Richard Devine, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena faly izahay miara-miasa amin’ny manam-pahefana eto Warwick sy mampandroso an’ilay tetikasa. Dingana iray lehibe ahafahana mamindra ny foibenay avy any Brooklyn mankany Warwick ilay hoe nanaiky an’ilay mari-trano ny tompon’andraikitry ny fanajariana ny tanàna.” Hoy koa i Enrique Ford, anisan’ny komity misahana an’ilay fanorenana, sy Atoa Devine: “Iny fahazoan-dalana azo tamin’ny Jolay iny no dingana voalohany mba hanatratrarana an’ilay tanjona hamita an’ity tetikasa ity ao anatin’ny efa-taona.”
Ny Orinasa Nickel no tompon’io tany io taloha ary nampiasainy tamin’ny zavatra maro izy io. Tao, ohatra, no nisy ny foiben’izy ireo sy ny toerana fanaovany fikarohana, nanomboka tamin’ny 1960 ka hatramin’ny 1987. Tsy nampiasaina nandritra ny efa-taona teo ho eo ilay tany avy eo. Novidin’ny Oniversiten’i King ilay izy taorian’izay, ary nokasain’izy ireo hanorenana trano fonenan’ny mpianatra. Tsy nety tanteraka mihitsy anefa izany ka nipetra-potsiny ilay tany nandritra ny 20 taona mahery. Novidin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay izy tamin’ny 2009.
Filazam-baovao:
Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000