Hijery ny anatiny

15 MEY 2018
ETAZONIA

Nanimba Zavatra ny Fipoahan’ny Volkano any Hawaii ary Maro ny Olona Nifindra Toerana

Nanimba Zavatra ny Fipoahan’ny Volkano any Hawaii ary Maro ny Olona Nifindra Toerana

Olona 2000 eo ho eo no voatery niala tamin’ny tranony ary trano 36, fara fahakeliny, no simba. Io no vokatry ny fipoahan’ny volkano Kilauea any Hawaii, ilay Nosy Lehibe any Etazonia, nanomboka tamin’ny 3 Mey 2018.

Anisan’ireo nafindra toerana ny fianakaviana efatra Vavolombelona sy ny anabavy iray zokiolona. Na izany aza, dia tsy nisy Efitrano Fanjakana simba vokatry ny ranoka volkano na piti-javatra avy amin’ilay fipoahana. Nisy simba kely anefa ny Efitrano Fanjakana iray vokatry ny horohoron-tany nirefy 6,9 amin’ny maridrefy Richter, tamin’ny 4 Mey.

Efa mandray an-tanana an’ireo mpitory tra-boina izao ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) sy ireo rahalahy sy anabavy eo an-toerana. Mbola hijery ny fanampiana hafa azo atao ny KVRV rehefa milamindamina ny toe-draharaha.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy niharam-boina ireo foana isika noho iny loza iny, ary matoky isika fa ho fialofana mafy ho azy ireo i Jehovah mandritra izao fotoan-tsarotra izao.—Nahoma 1:7.