Fotoana Niavaka Tany Etazonia
17 JONA 2002: Nohamafisin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina fa mbola manan-kery ilay fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo taorian’ny taona 1940, momba ny hoe mifanaraka amin’ny lalàna ny fitoriana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah (Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. miady amin’ny tanànan’i Stratton)
AOGOSITRA 1998: Nihoatra ny iray tapitrisa ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia
15 APRILY 1992: Raharaha Pater miady amin’i Pater: Nanambara ny Fitsarana Tampony any Ohio hoe tsy manana zo hametra ny fahalalahan’ny ray sy reny hitaiza ny zanany noho ny antony ara-pivavahana ny fitsarana ambaratonga voalohany. Toy izany koa ny nambaran’ny fitsarana ambony hafa tamin’io raharaha io
30 OKTOBRA 1985: Nanambara ny Fitsarana Tampony any Mississippi hoe manana zo hahazo fitsaboana tsy ampiasana ra ny tsirairay, ary miaro an’izany ny zo hanana ny fiainana manokana sy ny zo hanana fahalalahana ara-pivavahana (In re Brown)
31 AOGOSITRA 1972: Nanambara ny Fitsarana Ambony ao amin’ny distrikan’i Columbia hoe mila manaja ny zon’ny olon-dehibe hoe tsy hanaiky hampidiran-dra ny fanjakana iray, indrindra raha takatr’ilay olona ny vokatry safidiny (In re Osborne)
30 NOVAMBRA 1953: Nanambara ny Fitsarana Tampony Amerikanina hoe mbola mila manao raharaha miaramila foana ny Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro, satria mbola manao asa tsy ara-pivavahana (Dickinson miady amin’i Etazonia)
1944: Nihena ny fanenjehana any Vavolombelon’i Jehovah
14 JONA 1943: Novan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina ny fanapahan-keviny momba ny raharaha Gobitis. Nanambara ilay fitsarana hoe izay manery ny mpianatra Vavolombena mba hanangan-tsaina sy hivoady fa tsy hivadika amin’ny tanindrazana, dia manitsakitsaka ny zon’ilay mpianatra haneho ny heviny sy ny zony hifidy ny fivavahany (Filan-kevitry ny Fampianarana any Virginie Andrefana miady amin’i Barnette)
3 MEY 1943: Nofoanan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina ny lalàna mitaky hoe mila mandoa vola ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahazoany alalana hizara boky ara-pivavahana (Murdock miady amin’i Pennsylvanie)
3 JONA 1940: Nohamafisin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina hoe tsy maintsy manangan-tsaina ny mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana (Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis); nirongatra ny fanenjehana taorian’izay
20 MEY 1940: Sambany ny Fitsarana Tampony Amerikanina no nanambara hoe tokony hajain’ny fanjakana sy ny manam-pahefana eo an-toerana ny voalazan’ny Fanitsiana Voalohany momba ny fahalalahana ara-pivavahana. Nanambara koa ilay fitsarana hoe tsy miteraka korontana ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah (Cantwell miady amin’i Connecticut)
28 MARTSA 1938: Nofoanan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina ny lalàna mitaky hoe mila mangataka alalana ny Vavolombelon’i Jehovah vao afaka mizara boky (Lovell miady amin’ny tanànan’i Griffin)
26 JOLAY 1931: Noraisin’ny Mpianatra ny Baiboly ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah
14 MEY 1919: Nambara hoe tsy meloka indray ireo mpikambana tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenan’i Pennsylvanie. Natsahatra ny fanenjehana azy ireo taorian’izay
20 JONA 1918: Nomelohina sy nogadraina ireo mpikambana tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenan’i Pennsylvanie satria hoe mampiely boky manohitra ny ezaka ataon’ny fanjakana mba hanohanana ny ady
4 MARTSA 1909: Niorina ny Fikambanana Polipitran’ny Vahoaka, izay lasa nantsoina hoe Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
31 JANOARY 1909: Nafindran’ny Mpianatra ny Baiboly tao Brooklyn any New York ny foibeny
15 DESAMBRA 1884: Niorina ny fikambanana ara-panjakana, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
Taona 1880 tany ho any: Naorin’ny Mpianatra ny Baiboly tao Allegheny any Pennsylvanie ny foibeny
JOLAY 1879: Nivoaka voalohany ilay gazety antsoina amin’izao fotoana izao hoe Ny Tilikambo Fiambenana
1870: Namorona antokona mpianatra Baiboly tao Allegheny any Pennsylvanie i Charles Russell sy ny namany. Nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly izy ireo tatỳ aoriana