Hijery ny anatiny

10 JOLAY 2013
ETAZONIA

Hivarotra An’ireo Tranony ao Brooklyn ny Vavolombelon’i Jehovah

Hivarotra An’ireo Tranony ao Brooklyn ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Nanao sonia fifanekena iray ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 5 Jolay 2013. Hamidiny amin’ny RFR sy Kushner Companies mantsy ny tranobe dimy fanontam-pirintin’izy ireo sy ny trano fonenana misy rihana 30, any Brooklyn, any New York. Hanomboka hiala ao amin’ireo tranobe dimy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny Aogositra amin’ity taona ity. Amin’ny 2017 kosa izy ireo vao hiala ao amin’ilay trano fonenana.

Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Misy soratra eo amin’ireo tranobe ireo hoe ‘Vakio Isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina’ sy hoe ‘Vakio Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!’ Mahita an’ireo soratra ireo ny mpiasa sy ny vahiny any New York, izay mandalo eo amin’ny Tetezan’i Brooklyn. Nanamarika ny tantaran’ny fikambananay sy ny fotoana nijanonanay tao Brooklyn ny asa natao tao amin’ireo tranobe ireo hatramin’izay.” Efa 77 taona izay ny Vavolombelona no nampiasa an’ireo tranobe ireo mba hamoahana Baiboly sy boky fianarana Baiboly tamin’ny fiteny maro. Tamin’ny 1927 no nampiasaina ny tranobe voalohany ary tamin’ny 1937 kosa no nanomboka nampiasaina ireo tranobe teo akaikiny. Mpiasa arivo teo ho eo no efa nipetraka tao amin’ilay trano fonenana. Tsy voatery hivoaka any ivelany izy ireo rehefa handeha hiasa, satria mifandray amin’ilay trano fonenana misy rihana 30 ireo tranobe fanontam-pirinty.

Hamidin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo tranobe ireo satria tsy hiasa ao Brooklyn intsony izy ireo. Tamin’ny 2004 izy ireo no nanomboka nifindra. Lasa natao tany Wallkill, any New York, ny fanaovana pirinty sy ny fanakambanam-boky ary ny fandefasana entana, ho an’i Etazonia. Mikasa ny hamindra ny foibeny any Warwick, New York, izao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hanomboka amin’ny faramparan’ity taona ity ny fanorenana.

Hoy ihany Atoa Semonian: “Tsy hohadinoinay mihitsy ny fotoana niasanay tao Brooklyn. Tao amin’ireo tranobe ireo izahay no namoaka boky sy gazety ara-baiboly, mba hanampiana olona maneran-tany. Tsy andrinay indray izao izay hampiasana an’ireo trano vaovao any Warwick, mba hampandrosoana ny fampianarana Baiboly ataonay maneran-tany.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000