Hijery ny anatiny

6 DESAMBRA 2018
ETAZONIA

Horohoron-tany Lehibe Tany Alaska

Horohoron-tany Lehibe Tany Alaska

Nisy horohoron-tany mirefy 7 amin’ny mari-drefy Richter tany akaikin’i Anchorage, any Alaska, tamin’ny 30 Novambra 2018. Nilaza ny fampitam-baovao hoe tsy nisy maty na naratra mafy, saingy simba be kosa ny arabe.

Nanao tatitra ny sampan’i Etazonia hoe mpitory fito no naratra kely, vokatr’ilay horohoron-tany. Trano 16 an’ireo rahalahy sy Efitrano Fanjakana 2 no simba. Manaraka ny toromariky ny mpiandraikitra ny faritra ny fiangonana ka manome sakafo, akanjo, rano, ary fialofana ho an’ny namany tra-boina. Ampaherezin’ny anti-panahy amin’ny alalan’ny Baiboly koa izay niharan’ilay loza.

Mivavaka ho an’ireo rahalahintsika tratran’iny loza iny isika. Matoky koa isika hoe ho hery sy fiarovana mafy ho an’ny vahoakany i Jehovah satria mitoky aminy foana izy ireo.—Salamo 28:8, 9.