Hijery ny anatiny

2 DESAMBRA 2016
ETAZONIA

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 69 Adams

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 69 Adams

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 29 Novambra 2016 ilay tranon’izy ireo any amin’ny 69 Adams Street, any Brooklyn, any New York. Any amin’ny faritr’i Dumbo, eo anelanelan’ny tetezan’i Brooklyn sy ny tetezan’i Manhattan, no misy an’io trano io, ary 7026 metatra toradroa ny hangezany.

Misy rihana telo izy io ary tamin’ny 1994 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanorina azy. Natao parking sy toerana fialana voly izy io. Antonona fiara 84 ilay parking, ary ascenseurs roa no nampiakatra sy nampidina an’ireo fiara.

Hoy i Richard Devine, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena faran’izay tsara io trano any amin’ny 69 Adams io. Tsy ny toerana misy azy ihany no mampiavaka azy, fa noho ilay izy mbola azo itarina koa. Eo amin’ny 26 metatra mantsy ny haavony, ary mbola azo atao ny mampakatra azy ho 85 metatra raha araka ny lalàna momba ny fanorenana trano. Mbola azo itarina ho lasa 14586 metatra toradroa koa ny hangezany.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-845-524-3000