Hijery ny anatiny

27 FEBROARY 2015
ETAZONIA

Nahazo ny Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra Amin’ny Resaka Fanorenana ny Vavolombelon’i Jehovah

Nahazo ny Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra Amin’ny Resaka Fanorenana ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Nahazo ny naoty ambony indrindra amin’ny fanaovana mari-trano sy fanorenana miaro ny tontolo iainana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra Baiboly eran-tany no tena ahafantarana azy ireo.

Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny GBI (programan’asa mandrisika ny mpanao trano hiaro ny tontolo iainana) ireo trano vaovao roa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia. Ny trano fonenana F ao amin’ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Wallkill, New York, ny iray. Vita tamin’ny faramparan’ny taona 2012 izy io. Ny trano misy ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Wallkill kosa ilay faharoa, ary tamin’ny 2014 izy io no vita. Samy nahazo ny mari-pankasitrahana ambony indrindra ireo trano roa ireo, dia ny Green Globes Efatra.

Trano misy ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Wallkill

Hoy i Shaina Sullivan, Talen’ny Varotra ao amin’ny GBI: “Amin’ireo fanorenana rehetra nomena naoty maneran-tany, dia tsy ampy 4 isan-jato no nahazo an’io mari-pankasitrahana ambony indrindra io, dia ny Green Globes Efatra.” Nilaza koa Rtoa Sullivan fa ny trano misy ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Wallkill no “trano voalohany nahazo an’io mari-pankasitrahana io tao amin’ny Fanjakan’i New York, nefa tsy trano fonenana.” Hoy i Jenna Middaugh, Mpandrindra Tetikasa ao amin’ny GBI: “Tetikasa fanorenana 23 no nahazo ny mari-pankasitrahana Green Globes Efatra [eto Etazonia], nanomboka tamin’ny 2006, fa ny trano misy ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Wallkill no nahazo ny naoty ambony indrindra, izany hoe 94 isan-jato.”

Trano fonenana F ao amin’ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanao ny Green Globes ny GBI mba hanomezana naoty sy mari-pankasitrahana an’ireo mpanao mari-trano, ary miara-miasa amin’ny fikambanana hafa eo an-toerana izy ireo mba hijery ny hatsaran’ny trano sy ny hamafiny. Ireto avy no mila kajina amin’ny tontolo iainana, ho an’izay te hahazo naoty amin’ny Green Globes: Kajina ny rano, atao faran’izay kely ny angovo ampiasaina sy ny gazy maloto avoaka, fidina tsara ny fitaovana ampiasaina mba tsy hanimba tontolo iainana, ary atao mahasalama tsara ny ao anatin’ny trano.

Amin’ny herinaratra ampiasain’ny trano misy ny birao any Wallkill, dia ny 10 isan-jatony, fara fahakeliny, no azo avy amin’ireto fitaovana mamadika ny herin’ny masoandro ho herinaratra ireto. Anisan’ny nahazoana an’ilay mari-pankasitrahana ireo.

Hoy i David Bean, mpikarakara mari-trano ho an’ny trano ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia: “Porofoin’ireny mari-pankasitrahana ireny hoe faran’izay tsara ny mari-trano sy fanorenana ataonay amin’ny tetikasa rehetra. Ampidirinay amin’ny Green Globes koa ny mari-trano sy fanorenana ny foibenay any Warwick, New York.”

Fambolena zavamaniry eo ambony tafon’ny foibe vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, New York. Miaro ny tontolo iainana izany.

Hoy i Zeny St. Jean, mpandrindra ny tetikasa fanorenana maneran-tany, any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Ny hampandroso ny fampianarana Baiboly no tena ifantohanay. Mahafaly anay anefa ireo mari-pankasitrahana ireo satria midika ireo hoe eken’ny manam-pahaizana fa te hiaro ny tontolo iainana izahay rehefa manao mari-trano sy fanorenana, ary efa izany foana no ataonay amin’ny trano ampiasainay maneran-tany.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000