Hijery ny anatiny

8 SEPTAMBRA 2014
ETAZONIA

Nodimandry teo Amin’ny Faha-90 Taonany i Lillian Gobitas Klose

Nodimandry teo Amin’ny Faha-90 Taonany i Lillian Gobitas Klose

NEW YORK—Maty tao an-tranony, teo amin’ny faha-90 taonany, tany Fayetteville, any Géorgie, i Lillian Gobitas Klose ny 22 Aogositra 2014. Izy ilay nanapa-kevitra ny tsy hanao fombafomba amin’ny fananganan-tsaina tamin’ny mbola kely, ka lasa tafiditra tamin’ilay raharaha ara-pitsarana nalaza tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina.

William Gobitas (eo ankavia), Walter Gobitas, ary Lillian Gobitas taorian’ny nandroahana azy mianadahy avy tany an-tsekoly noho izy ireo tsy nanao fombafomba amin’ny fananganan-tsaina, tamin’ny 1935.

Taratasy nosoratan’i Lillian Gobitas, tamin’ny 1935, ho an’ny sekolin’i Minersville mba hiarovana ny finoany.

Nisy fandaharana tao amin’ny radio, tamin’ny 6 Oktobra 1935, nanazava hoe mandrara ny fanompoan-tsampy ny Baiboly. Nandre an’ilay izy i Lillian Gobitas sy William zandriny, izay samy Vavolombelon’i Jehovah, ka nanapa-kevitra ny tsy hanao fombafomba amin’ny fananganan-tsaina intsony. Voaroaka tao amin’ny sekoly nianarany àry izy ireo, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Te hiaro ny zon-janany i Walter rain’izy ireo ka nitory teny amin’ny fitsarana teo an-toerana ary nahazo rariny. Nampakarin’ilay sekoly tany amin’ny Fitsarana Tampony anefa ilay raharaha. Nivoaka ny didim-pitsarana tamin’ny 3 Jona 1940, ary resy ry Gobitas tamin’io raharaha Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis (diso tsipelina ny fitsarana rehefa nanoratra an’ilay anarana) io. Telo taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny Fetin’ny Sainam-pirenena tamin’ny 14 Jona 1943, dia novan’ny Fitsarana Tampony ilay didy navoakany tamin’ny 1940 momba ny raharaha Gobitis. Namoaka didim-pitsarana tamin’ny raharaha Filan-kevitry ny Fampianaran’i Virginie Andrefana miady amin’i Barnette ny Fitsarana Tampony tamin’izay. Navela hiverina hianatra tany an-tsekoly àry ireo ankizy Vavolombelon’i Jehovah noroahina. Sambany ny Fitsarana Tampony Amerikanina no niova hevitra toy izany tao anatin’ny fotoana fohy.

Teraka tamin’ny 2 Novambra 1923 tao Minersville, any Pennsylvanie, i Lillian Gobitas. Zanak’i Walter sy Ruth Gobitas izy. Natao batisa izy ny 14 Martsa 1935 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Lasa mpampianatra Baiboly manontolo andro (antsoin’ny Vavolombelona hoe mpisava lalana maharitra) izy tamin’izy 20 taona. Niasa tao amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, izy avy eo tamin’ny Febroary 1946 ka hatramin’ny Aprily 1953.

Lillian sy Erwin Klose vadiny, tamin’izy ireo misionera tany Vienne, any Aotrisy, tamin’ny 1954.

Nihaona tamin’i Erwin Klose i Lillian Gobitas rehefa nanatrika fivoriamben’ny Vavolombelona tany Eoropa, tamin’ny 1951. Niasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina i Erwin, tamin’izany fotoana izany. Nihaona indray izy ireo rehefa nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, na sekoly ampiofanana an’ireo Vavolombelona ho lasa misionera, i Erwin. Tany South Lansing, any New York, io sekoly io no natao. Nahazo diplaoma izy tamin’ny 1952 ary voatendry ho any Vienne, any Aotrisy. Nahazo diplaoma tamin’ilay sekoly koa i Lillian Gobitas tamin’ny Febroary 1954.

Tany Vienne izy roa no nivady ny 24 Martsa 1954 ary niara-nanao misionera tany Aotrisy. Niverina tany Etazonia izy roa tamin’ny faran’io taona io satria niharatsy ny fahasalaman’i Klose. Narary izy satria nampijalina tany amin’ny toby fitanana nazia noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Niteraka an’i Stephen Paul sy Judith Deborah izy ireo, tatỳ aoriana. Nifindra tany Riverdale, any Géorgie, izy mianakavy tamin’ny 1967 satria te hampianatra Baiboly bebe kokoa.

Namela zanakavavy iray izy, dia i Judith Klose. Mbola velona koa i Jeanne Fry sy Grace Reinisch ary Paul Gobitas, iray tam-po aminy. Efa maty kosa ny vadiny, ny ray aman-dreniny, William Gobitas anadahiny, Joy Yubeta rahavaviny, ary Stephen Paul Klose zanany lahy.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000