Hijery ny anatiny

23 MEY 2013
ETAZONIA

Rambondanitra Tany Oklahoma

Rambondanitra Tany Oklahoma

Nisy rambondanitra mahery vaika tany Moore, any Oklahoma, any Etazonia, tamin’ny 20 Mey 2013. Nahatratra 2 kilaometatra mahery ny savaivony ary 300 kilaometatra mahery isan’ora ny hafainganam-pandehany. Nanao tatitra ny mpanao gazety fa olona 24 no maty ka ankizy ny 10 tamin’ireo. Araka ny tatitra azo, dia tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah namoy ny ainy tany amin’ilay toerana. Nisy Vavolombelona iray anefa notsaboina satria naratra. Tonga dia nanao fandaharana mba hanampiana an’ireo niharam-boina ny komitin’ny vonjy rano vaky. Vavolombelona miasa an-tsitrapo daholo no ao amin’io komity io. Nanome sakafo sy rano izy ireo ary nampahery an’ireo niharam-boina tamin’ny alalan’ny Baiboly.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000