Hijery ny anatiny

11 SEPTAMBRA 2017
ETAZONIA

Vaovao Farany Momba ny Rivo-doza Irma

Vaovao Farany Momba ny Rivo-doza Irma

Fantatra izao hoe manao ahoana ny rahalahy sy anabavy any amin’ny faritr’i Karaiba sy Etazonia atsimoatsinanana, izay nolalovan’ny Rivo-doza Irma.

Mampalahelo fa rahalahy be taona iray any Floride sy anabavy iray any Géorgie no maty rehefa niala tao amin’ny nisy azy. Rahalahy roa koa no naratra tany Tortola, nosy lehibe indrindra any amin’ny Nosy Vierges Britanika. Trano 40 mahery no simba be nanerana ny Karaiba, ary 40, fara fahakeliny, ny mpiara-manompo amintsika nafindra toerana. Miditra tsikelikely any amin’ny toerana tratran’ny loza izao ny rahalahy mpanao fanadihadiana mba hahitana ny tena zava-misy any.

Mivavaka ho an’ireo namoy havana sy namana sy ho an’ireo voa mafy tamin’iny loza iny isika. Miantehitra amin’ny fampaherezana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fiangonana isika.—1 Tesalonianina 3:7.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000