Hijery ny anatiny

24 OKTOBRA 2016
ETAZONIA

Nandamina Fanampiana Vonjy Rano Vaky ny Vavolombelon’i Jehovah, Taorian’ilay Rivo-doza Matthew

Nandamina Fanampiana Vonjy Rano Vaky ny Vavolombelon’i Jehovah, Taorian’ilay Rivo-doza Matthew

Nisy rivo-doza atao hoe Matthew namely an’i Bahamas sy Karaiba ary ireo faritra atsimoatsinanan’i Etazonia. Tamin’ny fiandohan’ny volana Oktobra 2016 izany no nitranga. Miezaka manampy an’ireo mpiara-mivavaka aminy sy ireo tra-boina hafa àry ny Vavolombelon’i Jehovah.1

Misy 1400 eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah any Bahamas, ka efa ho ny antsasany amin’izy ireo no nizaka ny vokatr’ilay rivo-doza. Nandefasana sakafo sy rano ary zavatra hafa tany amin’ny toerana roa, amin’izay ry zareo mahazo an’izay tena ilainy.2

Tany Cuba indray, dia 124 ny tranona Vavolombelon’i Jehovah simba be ary 31 no tsy nisy noraisina intsony.3

Tany Haïti, dia Vavolombelon’i Jehovah 700 mahery teo ho eo no voatery nifindra monina vokatr’ilay rivo-doza. Rava tanteraka ny 4 tamin’ny toeram-pivavahan’izy ireo sy ny tranony 73. Ankoatra izay, dia trano 274 sy toeram-pivavahana 15 no nisy simba. Nomena sakafo sy fanafody ny tra-boina. Nisy tranolay koa novidina mba ho fialofana vonjimaika ho an’izay voatery nifindra monina.4

Tany Etazonia, dia 125 ny tranona Vavolombelon’i Jehovah simba. Hita tamin’ny tatitra anefa fa ny tondra-drano no tena natahorana satria niakatra be ny renirano.5

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Foibe no nandamina ny fanampiana vonjy rano vaky. Ny vola azo tamin’ny fanomezana an-tsitrapo ho an’ny Asa Maneran-tany no nampiasaina. Hoy i David A. Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Na dia tsy nisy namoy ny ainy aza ny Vavolombelon’i Jehovah dia miara-ory amin’izay namoy havana sy namana tamin’iny rivo-doza iny izahay.”6

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David A. Semonian, Office of Public Information, 1-718-560-5000

Bahamas: Maxwell Dean, 1-242-422-6472

Haïti: Daniel Lainé, 509-2813-1560