Hijery ny anatiny

17 OKTOBRA 2018
ETAZONIA

Manimba Zavatra Be any Etazonia ny Rivo-doza Michael

Manimba Zavatra Be any Etazonia ny Rivo-doza Michael

Niditra an-tanety tany amin’ny faritr’i Floride ny Rivo-doza Michael, tamin’ny 10 Oktobra 2018, ka nanimba zavatra be tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Etazonia. Io no anisan’ny rivo-doza mahery vaika indrindra namely an’i Etazonia sady nanimba fananan’olona be dia be. Olona 18, fara fahakeliny, no maty.

Rahalahy sy anabavy any amin’ny fiangonana 94 sy faritra 13 no tratran’ilay rivo-doza. Tsy nisy maty tamin’izy ireo, saingy telo kosa no naratra. Simba ny trano 528 ipetrahan’izy ireo sy ny Efitrano Fanjakana 34, ary tapaka ny herinaratra any amin’ny Efitrano Fanjakana 39.

Miara-miasa mandamina ny fanampiana tra-boina ny biraon’ny sampan’i Etazonia sy ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ary ny mpiandraikitra ny faritra 40 mahery. Ireto avy no ataon’izy ireo: Manome sakafo, fitsaboana, trano, ary rano ho an’ireo rahalahintsika. Asiana fiarovana koa ny tafo mba ho azo antoka, ary diovina daholo izay faritra rehetra feno zavatra simba satria nianjeran’ny hazo. Nomena fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly koa ireo rahalahy sy anabavintsika.

Marina fa miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra eto amin’ity tontolo ity ny mpiara-manompo amintsika. Tratran’ny hetraketraky ny natiora, ohatra, izy ireo, nefa mbola matoky foana hoe manohana azy Andriamanitra.—Salamo 142:5.