Hijery ny anatiny

7 NOVAMBRA 2012
ETAZONIA

Namely ny Morontsiraka Atsinanan’i Etazonia ny Rivo-doza Sandy

Namely ny Morontsiraka Atsinanan’i Etazonia ny Rivo-doza Sandy

Raha ny tatitra voaray tamin’ny 2 Novambra 2012, dia iray no naratra mafy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy nisy ny maty. Kely fotsiny no simba tamin’ny foiben’izy ireo any Brooklyn. Efitrano Fanjakana 12 sy tranon’ny Vavolombelona 61 no simba be noho ny tondra-drano sy ny rivo-mahery. Vavolombelona 1 100 mahery no efa nafindra toerana talohan’ilay rivo-doza. Mbola mitohy ny fanombanana ny zavatra simba, ary miara-miasa amin’ny manam-pahefana any an-toerana ny Vavolombelona miasa an-tsitrapo mba hikarakarana an’izay ilain’ny mpiara-mivavaka aminy sy ny tra-boina hafa.

Filazam-baovao: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000