Hijery ny anatiny

13 MEY 2014
ETAZONIA

Nandrava ny Faritra Afovoany sy Atsimon’i Etazonia ny Tafio-drivotra

Nandrava ny Faritra Afovoany sy Atsimon’i Etazonia ny Tafio-drivotra

Nanomboka tamin’ny 27 Aprily 2014, dia nisy tafio-drivotra mahery niteraka rambondanitra namely ny faritra afovoany sy atsimon’i Etazonia. Trano maro no ravan’izy io ary olona 30 mahery no maty, araka ny tatitra. Milaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia fa tsy nisy Vavolombelona maty na naratra nandritra iny loza iny, kanefa trano fito no simba. Toeram-pivavahana telo ampiasain’ny Vavolombelona ihany koa no simba. Manampy an’ireo tra-boina ny komity ahitana mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona avy ao amin’ilay faritra.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000