Hijery ny anatiny

20 DESAMBRA 2016
ETAZONIA

Namidin’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Tany Anisan’ny Ngeza Indrindra ao Brooklyn

Namidin’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Tany Anisan’ny Ngeza Indrindra ao Brooklyn

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 85 Jay Street, tamin’ny talata 20 Desambra 2016. Orinasa maromaro mpampiasa vola no nividy an’ilay izy, anisan’izany ny Kushner Companies sy ny CIM Group ary ny LIVWRK. Tena ngezabe mihitsy ilay toerana satria mirefy 92 903 metatra toradroa. Ao Dumbo, tanàna tena mandroso be any Brooklyn, no misy azy io. Azo anorenana trano ampiasaina amin-javatra isan-karazany ilay izy, ohatra hoe trano fonenana, fivarotana, na toeram-piasana.

Nisy trano maromaro efa simba be teo amin’io toerana io, tamin’ny faramparan’ny 1980 sy teo am-piandohan’ny 1990. Noeritreretin’ny Vavolombelona hanorenana trano fanontam-pirinty ilay tany, tamin’izy ireo nividy an’ilay izy. Nanapa-kevitra indray anefa izy ireo hoe afindra any Wallkill, any New York, ny fanontam-pirinty sy ny fanakambanam-boky ary ny fandefasana entana. Vao haingana izay, dia nafindran’izy ireo any Warwick, any New York, ny foiben’izy ireo tao Brooklyn. Nanomboka nivarotra an’ireo trano nampiasainy tao Brooklyn Heights sy Dumbo àry izy ireo, taona vitsivitsy lasa izay.

Hoy i Richard Devine, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tsy dia fahita firy ny toerana hoatran’ny 85 Jay Street, rehefa jerena ny habeny sy ny toerana misy azy ary ny zavatra mbola azo ampiasana azy amin’ny hoavy.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000