Hijery ny anatiny

1 FEBROARY 2018
ETAZONIA

Tany Nihotsaka Nahafaty Olona Tany Kalifornia Atsimo

Tany Nihotsaka Nahafaty Olona Tany Kalifornia Atsimo

Nisy oram-be nivatravatra namely ny faritra atsimon’i Kalifornia, any Etazonia, tamin’ny 9 Janoary lasa teo. Nisy tany nihotsaka àry hatraiza hatraiza, ka nampitondra faisana ny olona tany amin’iny faritra iny. Milaza ny tatitra fa 21, fara fahakeliny, ny olona maty ary an-jatony ny trano simba na rava tanteraka.

Tsy nisy mpitory namoy ny ainy tamin’iny loza iny. Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba koa. Nampalahelo anefa fa simba ny tranon’ny mpitory anankiray sy ny fananany hafa, tany Burbank. Fianakaviana valo be izao koa, tany Ventura, no tsy maintsy nafindra toerana.

Efa nisy doro tanety tany vao haingana, ankoatra an’ilay tany nihotsaka. Mbola manampy sy mampahery an’ireo mpitory niharam-boina àry hatramin’izao ny mpiandraikitra ny faritra sy ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ary ny solontenan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana. Mivavaka foana ho an’ireo rahalahy any isika, ary matoky fa hanatanjaka azy ireo foana i Jehovah.—1 Petera 5:10.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000