Hijery ny anatiny

28 MARTSA 2014
ETAZONIA

Tany Nihotsaka Nandravarava Tany Washington

Tany Nihotsaka Nandravarava Tany Washington

Nisy tany nihotsaka tany Snohomish, any Etazonia, tamin’ny 22 Martsa 2014. Iray kilaometatra sy sasany ny velarany ary trano maro no saron’ny fotaka. Milaza ny manam-pahefana fa olona 90 no mbola tsy hita popòka ary 17 no maty. Anisan’ireo tsy hita popòka ny vehivavy Vavolombelona iray, araka ny tatitry ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia. Misy mpivady Vavolombelona namoy ny zanany vavy sy ny zafiafiny iray tamin’ilay loza. Vavolombelona roa no tsy maintsy niala tamin’ny tranony. Rava tanteraka ny tranon’ny Vavolombelona iray hafa. Mampahery sy manohana an’ireo niharam-boina ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-toerana.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000