Hijery ny anatiny

1 SEPTAMBRA 2017
ETAZONIA

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Trano Roa Nampiasainy tao Brooklyn

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Trano Roa Nampiasainy tao Brooklyn

Tamin’ny 31 Aogositra 2017 no vita ny famarotana an’ilay tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny 97 Columbia Heights. Mirefy 8 232 metatra toradroa izy io, ary nipetraka tao ny mpiasan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny 30 taona mahery. Hotely nalaza izy io taloha, nantsoina hoe Hotel Margaret. Tazana avy eo ny tanànan’i Manhattan sy ilay renirano ao New York atao hoe East River. Tsara tarehy koa ny manodidina satria ao Brooklyn Heights, izay toerana manan-tantara, no misy an’ilay trano. Azo itsangantsanganana ny any an-tampon-trano, ary ny efitra sasany aza misy lavarangana mitokana sady malalaka tsara. Tamin’ny 11 Aogositra 2017 lasa teo koa no vita ny famarotana an’ilay trano nampiasain’ny Vavolombelona tao amin’ny 119 Columbia Heights.

Efa any amin’ilay toerana vaovao any Warwick, New York, izao ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000