Hijery ny anatiny

29 JONA 2016
ETAZONIA

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Trano Nampiasainy Ela Indrindra ao Brooklyn

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Trano Nampiasainy Ela Indrindra ao Brooklyn

NEW YORK—Tapitra tamin’ny talata 26 Aprily 2016 ny fitadiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah olona hividy an’ilay trano 124 Columbia Heights ao Brooklyn, New York. Eo amin’ny fidirana avaratra amin’ny lalana fitsangantsanganana ao Brooklyn Heights no misy an’ilay trano fonenana mirefy 14121 metatra toradroa. Ilay tilikambo eo an-tampony no tena ahafantaran’ny olona azy. Nanomboka nitady mpividy azy io ny Vavolombelona tamin’ny Desambra 2015. Be dia be ny olona nanao tolo-bidy, fa ny an’ny olona iray sambany vao hividy trano tamin’ny Vavolombelona no nekena.

122-124 Columbia Heights talohan’ny nanavaozan’ny Vavolombelona azy.

Nisy rihana telo io trano miloko volontany io tamin’ny voalohany, ary tao i Henry Beecher no nipetraka tamin’ny 1856 ka hatramin’ny 1881. Pasiteran’ny Fiangonana Plymouth i Beecher, sady nalaza ho mpanohana ny hetsika hanafoanana ny fanandevozana. Nilaza toy izao Ny Gazetin’i New York (anglisy) rehefa niresaka momba an’io trano manan-tantara io: “Voalaza fa tao amin’io trano io ny Filoha Lincoln no nitsidika an’Atoa Beecher, taloha kelin’ny nanaovana sonia ilay Fanambarana Fahafahana ho An’ny Andevo.” Novidin’ny Vavolombelona ilay trano tamin’ny Mey 1909. Novidin’izy ireo koa avy eo ny trano vitsivitsy teo akaikin’izy io, ka izy rehetra ireo no navadika ho trano lehibe iray misy rihana sivy, araka ny hitantsika amin’izao.

Hoy i Richard Devine, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Raisinay ho toy ny lova navelan’ny fikambananay ho anay ny 124 Columbia Heights. Trano fonenana ho an’ireo mpiasa teto amin’ny foibe izy io nanomboka tamin’ny 1909, ary nasiana ny radionay taloha WBBR koa teo anelanelan’ny 1929 sy 1957. Nandefa famakiana Baiboly sy fandaharana hafa io radio io. Efa-taona ihany ilay radio no natao tany an-toeran-kafa, tao anatin’izay fotoana izay.”

Toerana fandraisam-peo ho an’ny WBBR, ilay radion’ny Vavolombelona tao 124 Columbia Heights teo anelanelan’ny taona 1950 sy 1960.

Efa zato taona mahery ny Vavolombelona no tao amin’io trano io. Tsy tao anefa ny foiben’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’ny voalohany, fa tany Allegheny (anisan’ny Pittsburgh amin’izao) any Pennsylvanie, teo anelanelan’ny 1880 sy 1890. Nilaza toy izao i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelona any amin’ny foibe: “Tena nety mihitsy ilay fifindrana tany Brooklyn tamin’ny 1909 satria misy seranan-tsambo io tanàna io. Nahafahanay nampandroso sy nanafaingana ny asa fampianarana Baiboly ataonay eran-tany mantsy izany.”

Namidin’ny Vavolombelona ilay trano 124 Columbia Heights ao Brooklyn satria efa hafindrany tanteraka any Warwick, New York, ny foiben’izy ireo. Mirefy 20 hektara eo ho eo ny velaran’ny trano rehetra izay efa ho vita tsy ho ela any Warwick. Nilaza koa Atoa Semonian hoe: “Tena ilainay mihitsy izao ny mifindra any satria mety tsara aminay ireo trano any. Tranonay nandritra ny zato taona mahery ny tao Brooklyn, fa any Warwick indray no ho fonenanay. Hanokatra pejy vaovao eo amin’ny tantaranay mantsy izahay.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000