Hijery ny anatiny

26 FEBROARY 2018
ETAZONIA

Vaovao Farany Momba ny Fanampiana Tra-boina Taorian’ilay Rivo-doza Harvey

Vaovao Farany Momba ny Fanampiana Tra-boina Taorian’ilay Rivo-doza Harvey

NEW YORK—Mbola miezaka miarina ny mponina any Texas, any Etazonia, taorian’ilay Rivo-doza Harvey, izay niditra avy any amin’ny morontsiraka akaikin’i Corpus Christi tamin’ny 25 Aogositra 2017. Misy roa ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky manampy an’ireo rahalahy sy anabavy an’arivony lasa tra-boina.

Rahalahy iray mitady Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny toerana misy tra-boina any Houston, Texas.

Mpiasa an-tsitrapo 7000 mahery no nandray anjara tamin’ilay ezaka fanadiovana voalohany, ary tafiditra amin’izany ny trano 2300 nipetrahan’ny mpitory. Mpiasa an-tsitrapo 1000 eo ho eo koa isan-kerinandro no manampy amin’ny fanorenana. Nahavita nanamboatra ny simba tamin’ny Efitrano Fanjakana 48 izy ireo, hatreto, ary mikasa hanamboatra ny simba amin’ny trano 545 mahery, ato anatin’ny volana maromaro. Tombanana ho 8,5 tapitrisa dolara ny vola ho lany amin’ilay fanampiana tra-boina eo amin’io faritra io fotsiny, ary tokony ho vita alohan’ny 30 Jona 2018 izany.

Rahalahy 22 solontenan’ny sampana no efa nitsidika an’ilay toerana niharan-doza, nanomboka tamin’ny faran’ny volana Aogositra 2017, mba hitondra fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ireo mpitory tratran’ny loza. Anisan’ireo nitsidika tany koa ny rahalahy fito anisan’ny Komitin’ny Sampana. Mivavaka isika mba hampahery an’ireo manampy tra-boina ireo i Jehovah.—Nehemia 6:9.

Mpiasa an-tsitrapo any Aransas Pass, Texas.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000