Hijery ny anatiny

20 MEY 2015
ETAZONIA

Toerana 11 any Etazonia no Hisantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Tahafo i Jesosy”

Toerana 11 any Etazonia no Hisantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Tahafo i Jesosy”

NEW YORK—Hisantatra an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Tahafo i Jesosy” ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia, ny marainan’ny zoma 22 Mey 2015. Tsy misy vidim-pidirana amin’io fivoriambe io. Hatao any amin’ny toerana 11 izy io amin’ity faran’ny herinandro ity, anisan’izany ilay ao amin’ny Stanley Theater, any amin’ny Tanànan’i Jersey, any New Jersey (sary eo ambony). Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa hihoatra ny 41000 ny fitambaran’ny mpanatrika any amin’ireo toerana 11 ireo.

Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foiben’izy ireo any Brooklyn, any New York: “Horaisina tsara izay nasaina ka tonga amin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra any amin’izay misy azy, ary mino izahay fa tsy ho diso fanantenana izy rehefa tonga any. Ho hita amin’ilay fivoriambe telo andro hoe “Tahafo i Jesosy” ny zavatra nampianarin’i Jesosy, ary natao ho an’ny rehetra ilay izy, na firy taona na firy taona, na inona na inona toe-javatra misy azy.”

Hisy 5000 eo ho eo ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Tahafo i Jesosy” hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany 92, hatramin’ny Janoary 2016. Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no mikarakara an’ireo. Hatao amin’ny fiteny 347 io fivoriambe io manontolo na ny ampahany aminy, anisan’izany ny tenin’ny tanana 55.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000