Hijery ny anatiny

13 MARTSA 2019
ETIOPIA

Lozam-piaramanidina Tany Etiopia: Anabavy Iray no Maty

Lozam-piaramanidina Tany Etiopia: Anabavy Iray no Maty

Nianjera ny sidina 302 an’ny kompaniam-pitaterana ana habakabaka etiopianina, taoriana kelin’ny niaingany tao Addis-Abeba, renivohitr’i Etiopia, tamin’ny alahady 10 Martsa. Maty daholo ireo olona 157 tao anatiny.

Mampalahelo fa maty tamin’ilay lozam-piaramanidina ny Anabavy Rosemary Mumbi, izay 66 taona. Mpanompo manontolo andro ao amin’ny fiangonana Roma Manzoni Inglese, any Roma, Italia, ny Anabavy Mumbi.

Tena mampalahelo antsika iny vaovao ratsy iny. Tsy andrintsika ny fotoana hitsenana an’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, rehefa hatsangana ny maty, anisan’izany ny Anabavy Mumbi.—Apokalypsy 20:13.