Hijery ny anatiny

FARITANIN’NY PALESTINIANINA

Topy Maso An’ny Faritanin’ny Palestinianina

Topy Maso An’ny Faritanin’ny Palestinianina

Efa hatramin’ny 1919 no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra antsoina hoe Faritanin’ny Palestinianina ankehitriny. Namorona fiangonana tao Ramallah izy ireo, tamin’ny 1920. Tany akaikin’i Betlehema kosa no niforona ny fiangonana faharoa, tamin’ny 1942. Lasa nizara roa ilay firenena, vokatr’ilay ady tany Palestina, tamin’ny 1948. Ny iray lasa firenena vaovaon’ny Israely, ary ny iray lasa teo ambany fitondran’i Jordania. Efa ho 20 taona no tsy afaka nifandray ny Vavolombelona tany Israely sy tany amin’ny Faritanin’ny Palestinianina. Lasa afaka nifandray indray anefa izy ireo, taorian’ilay Ady Enina Andro, tamin’ny 1967. Lasa afaka mivory malalaka sy afaka manao zavatra mifandray amin’ny fivavahany indray ireo Vavolombelona tany amin’ny faritra andrefan’i Jordania.

Nangataka tamin’ny fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Faritanin’ny Palestinianina, mba hekena ho ara-dalàna ny fivavahan’izy ireo. Nolavina anefa izany. Afaka miara-mivory ihany izy ireo, sady afaka miresaka ny zavatra inoany amin’ny olona. Raha vao tsy ara-dalàna anefa ny fivavahany, dia tsy avela hanana ny zony amin’ny maha olom-pirenena azy izy ireo. Mbola mitohy ny ezaka ataon’izy ireo mba hahazoana an’izany.