Hijery ny anatiny

Ry Sa’ad mivady (faharoa avy eo ankavia) sy mpivady telo Vavolombelon’i Jehovah, vao nahazo kopia nahaterahana ho an-janany

2 MARTSA 2016
FARITANIN’NY PALESTINIANINA

Tsy Manana Taratasy Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Amin’ny Faritanin’ny Palestinianina

Tsy Manana Taratasy Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Amin’ny Faritanin’ny Palestinianina

Anisan’ireo Kristianina Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy any amin’ny Faritanin’ny Palestinianina i Mike Jalal sy Natali Sa’ad. Mpivady ara-dalàna izy ireo nefa tsy mety mahazo kopian’ny sora-piankohonana. Vao haingana i Andrae, zanakalahin’izy ireo, vao nahazo kopia nahaterahana, ary efa sarotra be ny nahazoana an’izany. Misy mpivady Vavolombelon’i Jehovah hafa koa tratran’izany. Tsy ekena ho ara-dalàna mantsy ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Faritanin’ny Palestinianina, ka ny zo fototra maha olona azy ireo mihitsy no tsy eken’ny manam-pahefana.

Vokany eo amin’ny zon’ny tsirairay

Vavolombelon’i Jehovah no nanoratra ny fanambadian-dry Sa’ad mivady, tany Israely. Tsy nety nandrakitra an-tsoratra an’ilay fanambadiana anefa ny Ministeran’ny Atitany any amin’ny Faritanin’ny Palestinianina, satria tsy ekena ho ara-dalàna ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Heverin’ny manam-pahefana ho toy ny zazasary àry izay zaza aterak’izy ireo ka tsy mety mandrakitra an-tsoratra ny nahaterahany koa ny Ministeran’ny Atitany. Tsy rariny izany ka niady mafy ry Sa’ad mivady sy ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah hafa mba hanitsiana an’izany.

Milamina ny olana momba ny kopia nahaterahana

Namaly an’ireo fangatahana ihany ny Ministeran’ny Atitany, tamin’ny 2014. Maivamaivana erỳ ry Sa’ad mivady fa nahazo taratasy ara-dalàna ihany i Andrae kely (teraka tamin’ny 30 Janoary 2012). Faly koa ny ray aman-drenin’i Maya Jasmin sy Laura ary Cristian, eo amin’ny sary etsy ambony, fa nahazo kopia nahaterahana ny zanany, ary voalaza tao hoe “Kristianina” izy ireo.

Manana taratasy ara-dalàna izao ireo ankizy ireo ka manana zo hoatran’ny olom-pirenena rehetra. Tsy sahirana ny ray aman-dreniny rehefa miaraka amin’izy ireo mivoaka ny sisin-tany, ary azo ampidirina mianatra koa izy ireo.

Olana mbola tsy voavaha

Na eo aza izany zavatra tsara nataon’ny fanjakana izany dia mbola tsy omen’ny manam-pahefana kopian’ny sora-piankohonana ihany ry Sa’ad mivady sy ny mpivady Vavolombelon’i Jehovah fito hafa. Lasa mitsara an-tendrony azy ireo àry ny olona sasany satria heveriny ho toy ny mpitovo miara-mipetraka izy ireo ary manao tokantranomaso.

Tsy maintsy samy mandoa ny hetrany ny mpivady ary tsy afaka manambatra ny kaontiny any amin’ny banky, satria tsy eken’ny fanjakana hoe mpivady ara-dalàna. Raha marary tampoka ny iray amin’izy ireo, dia tsy ekena hoe manana zo hifidy ny fomba itsaboana an’ilay marary ilay vadiny. Raha maty ny iray amin’izy ireo, dia tsy afaka mandova azy ny vady aman-janany. Tsy afaka manaraka ny zavatra inoany koa izy ireo rehefa mandevina ny havany, fa tsy maintsy haleviny any amin’ny fasana silamo izy, eo amin’ny faritra natokana ho an’ny tsy miozolimanina.

Ezaka natao mba hekena ho ara-dalàna

Nandefa fangatahana tany amin’ny manam-pahefana any amin’ny Faritanin’ny Palestinianina ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Septambra 2010, mba hanekena an’ireo mpikambana ao aminy ho mpivady ara-dalàna. Tsy nisy valiny ilay izy nandritra ny roa taona mahery, ka nandefa fangatahana tany amin’ny Fitsarana Avo any Ramallah ny Vavolombelona. Nolavin’ilay fitsarana ilay fangatahana, tamin’ny Oktobra 2013, noho ny antony ara-teknika.

Mbola niady mba hanekena an’ilay izy ho ara-dalàna ihany ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’izay, ary efa nihaona tamin’ny manam-pahefana mba handaminana an’ilay olana. Tsy nisy tohiny anefa ilay izy satria tsy nanao na inona na inona ny manam-pahefana.

Hoy i Philip Brumley, mpanolo-tsaina momba ny lalàna, eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Efa ho 100 taona izay no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ramallah sy ny manodidina. Faly izy ireo fa avelan’ny manam-pahefana hanaraka ny fivavahany. Avakavahana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy ekena ho ara-dalàna ny fivavahany. Tsy tokony hatao hanakantsakana ny zo fototra maha olona azy ireo izany.”

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah fa efa nanao ezaka ny manam-pahefana any Palestina mba hanajana ny zon’izy ireo ka manome kopia nahaterahana. Manantena ireo mpivady tsy manana sora-piankohonana fa halamin’ny manam-pahefana ireo olana hafa mifandray amin’ny toerany manoloana ny lalàna, ary mba hekena ho ara-dalàna ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah.