Hijery ny anatiny

17 APRILY 2020
FIDJI

Mandravarava An’i Vanuatu sy Fidji ny Rivo-doza Harold

Mandravarava An’i Vanuatu sy Fidji ny Rivo-doza Harold

Nandravarava tany amin’ireo nosy any amin’ny faritra avaratr’i Vanuatu ilay rivo-doza mahery antsoina hoe Harold, tamin’ny 5 Aprily 2020. Nanohy ny lalany nianatsimoatsinanana ilay rivo-doza ary nandravarava ny faritra atsimoandrefan’ireo nosy Fidji koa, tamin’ny 8 Aprily. Tsy nisy rahalahy sy anabavy naratra na maty, araka ny tatitra voalohandohany voaray.

Misy mpitory 280 eo ho eo any Espiritu Santo, ilay nosy lehibe indrindra sy avaratra indrindra amin’ireo nosy any Vanuatu. Be dia be ny trano sy voly simba any amin’io nosy io sy ny nosy hafa eo akaikiny. Simba be ny fananan’ny mpitory 260 eo ho eo any Fidji, ary kely ny rano sy ny sakafo any sady tapatapaka ny jiro.

Mandamina ny fizarana ny fanampiana vonjy rano vaky ny sampan’i Fidji. Mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’ilay loza koa ny anti-panahy. Faly isika satria mahazo an’izay ilainy ny rahalahy sy anabavy tratran’iny rivo-doza iny ary mahazo fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 17:17.