7 JANOARY 2021
FIDJI
Nandravarava An’i Fidji ny Rivo-doza Yasa
Toerana
Fidji
Zava-nitranga
Namely an’i Vanua Levu, nosy lehibe faharoa any Fidji, ny Rivo-doza Yasa, tamin’ny alakamisy 17 Desambra 2020
Yasa no rivo-doza mahery vaika faharoa nandravarava an’i Fidji. Nahatratra 260 kilaometatra isan’ora ny herin’ny rivotra nentin’izy io
Antoko-mpitory sy fiangonana 30 fara fahakeliny no ao amin’ilay faritra tratran’ilay rivo-doza
Vokatr’ilay rivo-doza tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy mpiara-manompo naratra
Araka ny tatitra voalohany, dia fianakaviana 20 no nafindra toerana
Be dia be ny fambolena simban’ilay rivo-doza. Mpiara-manompo 430 àry no lasa tsy manana antom-pivelomana
Trano simba
Trano 10 no rava tanteraka
Trano 25 no simba
Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba kely
Fanampiana tra-boina
Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) telo ny sampan’i Fidji. Nizara an’izay tena nilain’ireo mpitory tra-boina ny KVRV, anisan’izany ny rano fisotro madio, akanjo, sakafo, ary labasy. Nitady toerana vonjimaika hipetrahan’ireo nafindra trano koa izy ireo
Nitsidika manokana an’ireo tra-boina ny solontenan’ny sampan’i Fidji sy ny mpiandraikitra ny faritra tany an-toerana
Nanaraka foana ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19 ny mpiasa an-tsitrapo nikarakara ny Vonjy Rano Vaky sy ireo solontena nitsidika an’ireo tra-boina
Na dia simba aza ny fananan’ny mpiara-manompo vokatr’iny rivo-doza nahery vaika iny, dia tsapan’izy ireo hoe marina ny Salamo 46:1, hoe: ‘Fialofana ho antsika Andriamanitra.’