Hijery ny anatiny

Ny biraon’ny sampana any Normandia, Frantsa

30 MEY 2023
FRANTSA

Feno 50 Taona ny Betelan’i Frantsa any Normandia

Feno 50 Taona ny Betelan’i Frantsa any Normandia

Feno 50 taona tamin’ny Janoary 2023 ny nisokafan’ny biraon’ny sampana any Normandia, any Frantsa. Notokanana izy io enim-bolana taorian’ny nisokafany, izany hoe tamin’ny 9 Jona 1973.

Tao amin’ny tanànan’i Boulogne-Billancourt, any akaikin’i Paris, no nanaovana ny asan’ny Betelan’i Frantsa, talohan’ny nisokafan’io biraon’ny sampana any Normandia io. Tsy nitsahatra nitombo anefa ny isan’ny mpitory ka lasa tsy ampy hikarakarana tsara an’izy ireny io Betela io. Tsy izay ihany, fa natao pirinty tany Etazonia koa ny boky sy gazety ary avy eo nalefa tany Le Havre, tanàna misy seranan-tsambo any andrefan’i Frantsa. Any amin’ny 200 kilaometatra miala ao amin’ny Betela anefa no misy azy io. Noho izany, dia nanomboka nitady tany hovidiana eo anelanelan’ireo tanàna roa ireo ny rahalahy mba hanorenana trano vaovao ho fanampin’ilay Betela tany Boulogne-Billancourt. Hihena ny fotoana sy ny vola lany amin’izay, ary mba ho akaiky kokoa ny fitaterana entana.

Nahita tany mety tsara tao amin’ny tanàna kelin’i Louviers, any Normandia, ny rahalahy tamin’ny farany, ka nividy an’ilay izy. Eo amin’ny 100 kilaometatra eo ho eo avy any Paris sy avy any Le Havre no misy azy. Nanomboka tamin’ny 1972 ny fanorenana ary naharitra 8 volana.

Nitombo foana ny isan’ny mpitory taorian’izay. Imbetsaka koa àry ny biraon’ny sampan’i Normandia no nitarina. Nividy tany hafa teo akaiky teo isika tatỳ aoriana ka nanamboatra trano fonenana vaovao. Tamin’ny 1996 no nifindra tany Normandia ny sisa tamin’ireo mpianakavin’ny Betela mbola nanompo tany Boulogne-Billancourt.

Ilay taratasy mivalona hoe Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly? amin’ny fiteny 20 amin’ireo fiteny 24 andikana azy ao amin’ny Betelan’i Frantsa

Misy 162 000 mahery izao ny mpitory karakarain’ny sampan’i Frantsa, ary mampiely ny vaovao tsara any amin’ny firenena13 ireny mpitory ireny. Marina fa nitsahatra tamin’ny 1998 ny fanontam-pirinty tany Normandia, nefa nohavaozina ireo trano nampiasaina tamin’izany ka ampiasaina mba hanohanana ny lafiny hafa amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny 24, ohatra, ry zareo any, sady mamoaka video samihafa. Rahalahy sy anabavy 400 mahery no miasa ao amin’ny Betela izao.

Faly isika mahita an’i Jehovah ‘manafaingana’ ny asa fitoriana any Frantsa!​—Isaia 60:22.