18 AOGOSITRA 2023
FRANTSA
Fitoriana Natao Tany Rouen, any Frantsa, Nandritra ny Fety Iraisam-pirenena ho An’ny Sambo Lehibe
Atao isaky ny efa-taona any Rouen, any Frantsa, ilay fety hoe Armada. Miavaka izy io satria tonga any ireo sambolay lehibe avy any amin’ny firenena eran-tany. Tamin’ny 8 Jona ka hatramin’ny 18 Jona io fety io no natao tamin’ity taona ity, ary nisy olona enina tapitrisa avy any amin’ny firenena samihafa tonga nitsidika an’ilay izy. Nasian’ny Vavolombelon’i Jehovah fampirantiana misy kodiarana àry isan’andro, tany amin’ny toerana 12 manerana an’i Rouen. Nisy 600 mahery ny rahalahy sy anabavy nandray anjara tamin’izany, ka afaka nitory tamin’ny olona an-jatony.
Nankeo amin’ny fampirantiana iray ny rangahy anankiray mpaka sary efa misotro ronono ka nilaza fa tsara fanahy be sy mahay mandray olona ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’izay toerana rehetra nahitany azy ireny. Lasa afaka niresaka elaela taminy àry ny mpitory ka voaresaka tamin’izay hoe tsy be fitiavana intsony ny olona amin’izao. Nandray an’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ilay rangahy, rehefa avy novakina sy nohazavaina taminy ny 2 Timoty 3:1-5. Napetrany tamin’ireo mpitory avy eo ny karatra misy ny mombamomba azy, ary nilaza izy fa tsy andriny indray ny hiresaka amin’ny mpitory.
Tamin’ny fotoana hafa indray, dia nisy ankizivavy nanatona teo amin’ny fampirantiana anankiray ary nanontany hoe: “Raha maty i Jesosy dia avy eo natsangana tamin’ny maty, dia maninona ireny havantsika efa maty ireny no mbola tsy natsangana? Efa maty mantsy ny Dadabe sy bebenay nefa izaho mbola te hahita an-dry zareo.” Nasehon’ilay anabavy mpitory azy àry ilay video hoe Fampaherezana ho An’izay Nidonam-pahoriana. Nandray bokikely ilay ankizivavy taorian’ilay resaka, ary nanaiky hianatra Baiboly.
Faly isika manana an’ireo rahalahy sy anabavy any Frantsa, satria mahafoy tena izy ireo mba ‘hitoriana ny vaovao tsara amin’ny hafa.’—1 Korintianina 9:23.