25 FEBROARY 2022
FRANTSA
Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Frantsay ny Bokin’i Matio
Nivoaka tamin’ny Tenin’ny Tanana Frantsay (LSF) Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio, tamin’ny 19 Febroary 2022. Ny Rahalahy Didier Koehler, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Frantsa, no namoaka azy. Efa azo alaina ao amin’ny jw.org sy ao amin’ny JW Library Sign Language izao izy io. Io no boky voalohany ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny LSF.
Olona 1 500 teo ho eo no nijery an’ilay fandaharana. Nohazavain’ny Rahalahy Koehler tamin’ilay lahateniny hoe: “Fiteny hita maso ny LSF, ka ilay mpandika teny no mampita ny hevitra. Asehony amin’ny tarehiny sy ny masony ary ny vatany ny fihetseham-pon’ireo mpandray anjara sy ny toetoetran-dry zareo. Hitanao daholo hatramin’ny tsipiriany madinika rehetra! Dia lasa azonao sary an-tsaina ilay zavatra voasoratra ao amin’ny Baiboly.”
Efa hatramin’ny 1968 tany ho any ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa no nandamina fitoriana amin’ny tenin’ny tanana. Lasa nisy fiangonana tenin’ny tanana avy eo tany Vincennes, any akaikin’i Paris, tamin’ny 1972 tany ho any. Nahazo alalana avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny Komitin’ny Sampan’i Frantsa tamin’ny 2002 tany ho any mba hanisy Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana amin’ny tenin’ny tanana. Nifindra nankao amin’ny Betela any Louviers, any Frantsa, ilay ekipa mpandika teny tamin’ny 2019, taloha kelin’ny valanaretina COVID-19. Misy 11 izao ny fiangonana tenin’ny tanana ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Frantsa, ary 39 ny antoko-mpitory.
Ny Filazantsaran’i Matio aloha no nanombohan’ny ekipa mpandika Baiboly amin’ny LSF ny asany. Ny Filazantsaran’i Jaona no hivoaka manaraka. Be mpahalala ny tantaran’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara roa ireo, sady mora adika kokoa noho ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Andininy sasantsasany tao amin’ny Baiboly ihany no azon’ny mpitory nojerena tamin’ny LSF, tamin’ny mbola tsy nivoaka io bokin’i Matio io.
Anisan’ilay ekipa mpandika teny ny anabavy marenina iray. Hoy izy: “Naverimberiko nojerena foana tamin’ny mbola kely ny sary ao amin’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Niverina tao an-tsaiko daholo ireny sary ireny rehefa nijery ny bokin’i Matio tamin’ny tenin’ny tanana aho, dia izay vao tena azoko ny dikany.”
Hoy koa ny mpiara-manompo iray, anisan’ilay ekipa mpandika teny: “Marenina ny dadanay sy mamanay, dia efa nofinofiko ny hoe mba hahazo Baiboly amin’ny tenin’ny tanana ry zareo. Tsy noeritreretiko mihitsy anefa hoe izaho no ho lasa anisan’ny ekipa mpandika teny. Tena fanomezana miavaka io bokin’i Matio amin’ny tenin’ny tanana io!”
Faly isika hoe nivoaka tamin’ny LSF io boky ao amin’ny Baiboly io. Vao mainka izany manaporofo hoe ny olona rehetra no asain’i Jehovah “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17.