Hijery ny anatiny

8 AOGOSITRA 2019
FRANTSA

Paris, Frantsa: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Paris, Frantsa: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 2-4 Aogositra 2019

  • Toerana: Parc des Expositions de Paris-Nord Villepinte any Paris, Frantsa

  • Fiteny: Alemà, anglisy, espaniola, frantsay, romanianina, rosianina

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 37809

  • Tontalin’ny natao batisa: 265

  • Solontena avy any ivelany: 5500

  • Sampana nasaina: Côte d’Ivoire, Ekoatera, Eoropa Afovoany, Etazonia, Grande-Bretagne, Gresy, Kanada, Kazakhstan, Moldavia, Nouvelle-Calédonie, Silia, Tahiti, Zambia

  • Fitantarana: Izao no nolazain’ny tompon’andraikitra iray tao amin’ilay toerana nanaovana fivoriambe, rehefa nitohana be ny fifamoivoizana: “Ianareo ve tsy mba tezitra mihitsy? Tsy nisy nampaneno klakisaonina mihitsy tamin’ity fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ity, tsy nisy mpamily romotra, hoatran’ny hoe tsy misy tezitra mihitsy ianareo, ary tsy misy maika hisongona.”

    Hoy ny mpiasa tao amin’ny hotely iray nipetrahan’ny solontena avy any ivelany: “Efa betsaka ihany ny fikambanana nivahiny tato, fa ny anareo no nahafinaritra indrindra. Hoatran’ny falifaly daholo ny olona dia nahafinaritra be ny fiarahana tato.”

 

Miarahaba tonga soa an’ireo vahiny tonga ao Paris, ao amin’ny seranam-piaramanidina, ny rahalahy sy anabavy

Rahalahy sy anabavy manao fampirantiana, ary tazana eo akaiky eo ny Tour Eiffel

Rahalahy sy anabavy eo ivelan’ilay toerana anaovana fivoriambe

Mpivady miaraka atao batisa, ny asabotsy

Mihaino tsara ny fandaharana ireo vahiny, izay manao akanjo mampiavaka an’i Tahiti

Manao ny lahateny famaranana ny asabotsy ny Rahalahy Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

Aseho eny amin’ny efijery ny mpanompo manontolo andro manokana avy any ivelany, manofahofa tanana amin’ny mpanatrika, amin’ny faran’ny fandaharana alahady

Rahalahy mampiseho ny fanaovana mofo frantsay nentim-paharazana, mandritra ny fitsidihana Betela