Hijery ny anatiny

12 DESAMBRA 2012
FRANTSA

Averin’i Frantsa ny Vola Nalainy Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Averin’i Frantsa ny Vola Nalainy Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Naverin’ny fanjakana frantsay tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vola mitentina 6 373 987,31 euros (8 294 320 dolara), tamin’ny 11 Desambra 2012. Naharitra 14 taona ny ady momba an’izany teny amin’ny fitsarana.

Nilaza ny fanjakana frantsay, tamin’ny 1998, fa tokony hakana hetra 60 isan-jato ireo fanomezana voarain’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary notakiny ny ampahany tamin’izany tamin’ny 2003. Hitan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona anefa fa meloka ny fanjakana frantsay satria tsy manaja ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanaraka ny fivavahany. Nitaky hetra tsy ara-dalàna tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, nefa raha narahina izany dia ho nikatona ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelona tany Frantsa ary ho voatohintohina ny asa fampianarana Baiboly tany. Efa manomboka mampihatra an’ilay didim-pitsarana izao ny fanjakana frantsay satria efa nilaza ny Fitsarana hoe tsy ara-dalàna ilay fitakiana hetra. Mamerina ny vola nalainy sy ny zanabola miaraka aminy àry ny fanjakana, sady manonitra izay lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ilay fitsarana.

Filazam-baovao:

J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Frantsa: Guy Canonici, tel. +33 2 32 25 55 55