23 JONA 2020
GÉORGIE
Navoaka Tamin’ny Teny Géorgien ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina
Tamin’ny alahady 21 Jona 2020, dia navoaka tamin’ny teny géorgien ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, nandritra ny fivoriana manokana narahina tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny rehefa navoaka ilay Baiboly. Nalaina video mialoha ilay lahateny, ary olona 19 521 no nanaraka an’ilay fandaharana. Tonga dia azo nalaina tamin’ny endrika elektronika tao amin’ny jw.org ilay Baiboly.
Naharitra efa-taona ny fandikana an’ilay Baiboly nohavaozina. Izao no nolazain’ny iray tamin’ny mpandika teny: “Tsotra ny teny ampiasaina ao ka na firy taona na firy taona ny olona mamaky azy dia mora mahazo ny heviny. Enga anie ny mpianakavy ka ho tia miara-mianatra azy io!”
Izao koa no nolazain’ny mpandika teny iray hafa: “Ny tanjonay dia hoe ho mora azon’ny mpamaky rehetra ilay izy, na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny fianarana vitany.”
Matoky isika fa tena hankasitraka an’i Jehovah izay rehetra mampiasa an’io Baiboly mora azo sy marina tsara io. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah mantsy izy io.—Jakoba 1:17.