Hijery ny anatiny

14 OKTOBRA 2014
GÉORGIE

Asain’ny Fitsarana Eoropeanina Mampihatra ny Lalàna i Géorgie

Asain’ny Fitsarana Eoropeanina Mampihatra ny Lalàna i Géorgie

Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 7 Oktobra 2014. Efa 12 taona mahery lasa izay no nampakarina tany amin’io fitsarana io ilay raharaha Begheluri sy ny Hafa Miady Amin’i Géorgie. In-30 ireo olon-dratsy no nampiasa herisetra sy nanevateva, ary olona 99 no niharan’izany ka nametraka fitoriana. Iray ihany no tsy Vavolombelon’i Jehovah tamin’izy ireo. Tamin’ny voalohany, dia ny nandrava fivoriambe nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nataon’ny polisy. Tsy nijanona teo anefa, fa noho ny tsy fitiavan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah, dia lasa iharan’ny herisetra koa izy ireo na any an-tranony, na eny amin’ny fitsarana, na eny an-dalana.

Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina fa efa ho 160 ny fitarainana nalefan’ireo Vavolombelona, tany amin’ny fitsarana. Voalaza tao amin’ireo fitarainana ireo fa polisy sy manam-pahefana mihitsy no nandray anjara tamin’ny fanafihana sasany. Tsy hita loatra anefa izay tena vokatr’ireny fitarainana ireny. Mbola manao ny asa ratsiny foana ireo mpanafika ireo, satria tsy voasazy mihitsy.

Nisy nanafika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Zougdidi, tamin’ny 8 Septambra 2000

Nanao fivoriambe tao amin’ny tanànan’i Zougdidi, ohatra, ny Vavolombelona 700 teo ho eo, tamin’ny 8 Septambra 2000. Tonga tampoka anefa ny polisy nisaron-tava ary nandaroka olona 50 teo ho eo. Na ireo zavatra narafitr’ireo Vavolombelona tao amin’ilay toerana nanaovana fivoriambe aza nodoran’izy ireo. Nitory avy hatrany ireo olona voadaroka. Tsy nanao na inona na inona anefa ny manam-pahefana, ka tsy tafakatra teny amin’ny tribonaly ilay raharaha.

Nomelohin’ny Fitsarana Eoropeanina ny manam-pahefana satria tsy mandray andraikitra

Tsy nanao fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana, sady tsy voasazy mihitsy ireo olon-dratsy. Nitory tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina àry ireo niharan’ny herisetra, tamin’ny 2002.

Hoy ny Fitsarana Eoropeanina, tao amin’ilay didy navoakany tamin’ny 7 Oktobra: “Ny manam-pahefana any Géorgie mihitsy no tsy manasazy an’ireo mpanao ratsy, ka manjary mahazo vahana ny fanafihana ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’io firenena io.” Nilaza koa ilay fitsarana fa “efa lalim-paka ny fanavakavahana ny Vavolombelon’i Jehovah”, ka izany no mahatonga an’ireny herisetra ireny. Na ny mpitandro filaminana aza ‘manana an’io toe-tsaina io, ka tsy mahagaga raha tsy rototra izy ireo rehefa iharan’ny herisetra’ ny Vavolombelona.

“Ny manam-pahefana any Géorgie mihitsy no tsy manasazy an’ireo mpanao ratsy, ka manjary mahazo vahana ny fanafihana ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’io firenena io.”

Begheluri sy ny Hafa Miady Amin’i Géorgie, no. 28490/02, 7 Oktobra 2014, p. 40, feh. 145

Namoaka didy àry ny Fitsarana Eoropeanina hoe meloka ny manam-pahefana any Géorgie, satria nanao habibiana tamin’ireo olona 47 nametraka fitoriana. Meloka koa izy ireo satria nanavakavaka an’ireo olona 88 hafa, sady tsy nanaja ny zon’izy ireo hanaraka ny fivavahany. Nandidy ny fitondrana any Géorgie ny Fitsarana Eoropeanina mba hampitsahatra ny tsy mety ataony sy hanarina ny vokatr’izany. Asain’ny Fitsarana Eoropeanina mandoa onitra amin’ireo niharan’ny herisetra koa izy ireo, mba hanonerana ny fahavoazana nihatra tamin’izy ireo sy ny vola laniny teny amin’ny fitsarana. Mitentina 45000 euros (134 tapitrisa ariary latsaka kely) izany.

Efa mba mahita mangirana ireo Vavolombelona any Géorgie

Efa tena mihatsara ny zavatra iainan’ireo Vavolombelona any Géorgie, nanomboka tamin’ny 2004. Mbola misy manafika sy mampijaly ihany anefa izy ireo indraindray. Tamin’ny 2013, ohatra, dia tatitra 53 no voaray momba ny Vavolombelona niharan’ny herisetra. Araka ny didy navoaka tamin’ilay raharaha Begheluri, dia tokony hanao fanadihadiana avy hatrany ireo manam-pahefana any Géorgie, rehefa misy olona iharan’ny heloka bevava. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy hanao fitondra-mitanila intsony ny fanjakana, ary hanasazy an’izay olona manao heloka bevava noho ny fankahalana fivavahana.