Hijery ny anatiny

15 APRILY 2015
GÉORGIE

Ezaka Manokana Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Aprily

Ezaka Manokana Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Aprily

Nanao ezaka manokana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1 Aprily 2015. Notetezin’izy ireo daholo ny paositry ny polisy sy ny biraom-panjakana ary ny biraon’ny mpampanoa lalàna eran’ny Repoblikan’i Géorgie. Natao izany mba hampahafantarana ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona mahakasika an’ilay raharaha Begheluri sy ny Hafa miady amin’i Géorgie. Tsy nohajaina mantsy ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie, ka mifandray amin’izany io raharaha io. Lasa fantatry ny mpitandro filaminana sy ny mpahay lalàna ny mombamomba an’ilay raharaha, ny didim-pitsarana nivoaka, ary ny asa ara-pivavahana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nilefitra tamin’ny herisetra i Géorgie taloha

Notafihin’ny vahoaka romotra foana ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1999 ka hatramin’ny 2003, ary niharan’ny herisetra. Pretra ortodoksa efa niongana no nitarika an’ireo mpanafika ireo. Fitarainana 784 no efa nalefan’ny Vavolombelona tany amin’ny polisy tamin’ireny zava-nitranga ireny sy ny zava-nitranga hafa. Nitazam-potsiny anefa ny manam-pahefana, ary nisy fotoana aza izy ireo mihitsy no nampiasa herisetra tamin’ny Vavolombelona. Tsy nisy vokany azo tsapain-tanana ny fitarainana nalefan’ny Vavolombelona. Vao mainka nahazo vahana ny mpanao ratsy, rehefa hitany hoe tsy nanao zavatra ny manam-pahefana. Lasa sahy nanafika ny Vavolombelona izy ireo, na tany amin’ny fitsarana izany, na tany amin’ny fivoriambe, na teny an-dalana.

Nanova zavatra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana Eoropeanina

Nandefa fitarainana roa momba an’io raharaha io tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie. Namoaka didim-pitsarana momba an’ilay raharaha voalohany ilay Fitsarana tamin’ny Mey 2007. a Tamin’ny Oktobra 2014 kosa no nivoaka ny didim-pitsarana momba an’ilay raharaha Begheluri sy ny Hafa miady amin’i Géorgie. Nanameloka ny fitondrana any Géorgie ny Fitsarana Eoropeanina tamin’ireo didim-pitsarana roa ireo. Anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fitomboan’ny fanafihana mantsy ny fitondrana, satria tsy niraharaha an’ireo niharam-pahavoazana. Izao no voalaza tao amin’ilay didy momba ny raharaha Begheluri: “Tsy nanasazy an’ireo mpanao ratsy i Géorgie, ka lasa nahazo vahana ny fanafihana ny Vavolombelon’i Jehovah eran’io firenena io.” b

Nanao fanambarana ny fitondrana any Géorgie ny ampitson’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana voalaza etsy ambony, ary nanome toky fa hanao izay tsy hisian’ny herisetra intsony. Izao ilay fanambarana:

“Nanapa-kevitra i Géorgie fa hiaro ny zo haneho hevitra, ny zo hanaraka izay lazain’ny feon’ny fieritreretana, ny zo hanaraka izay fivavahana tiana, ary ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny. Omena zo mitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna ary tokony hosazina rehefa tsy manaja ny zon’olombelona. Tsy havela ho afa-maina intsony ny mpanao ratsy ary tsy holeferina ny herisetra.”

Nihatsara ny toe-draharaha any Géorgie

Tsy nitovy tamin’ny taloha intsony izao ny zavatra iainan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie. Efa tsy misy manakorontana intsony izy ireo rehefa manao fotoam-pivavahana. Faly koa izy ireo satria azo lazaina hoe miaro ny zon’izy ireo ny mpitandro filaminana. Afaka nanorina trano fivavahana izy ireo, ary afaka nanitatra ny foibeny tany an-toerana.

Mbola tsy mahalala firy momba ny Vavolombelon’i Jehovah na ny zavatra inoany anefa ny manam-pahefana sasany. Mety ho mbola tsy fantany koa ny didim-pitsarana momba an’ilay raharaha Begheluri sy ilay fanambarana nataon’ny fitondrana. Mbola misy koa ny fanafihana ataon’ny fivavahana hafa ary mbola tsy voasazy ireo manao an’izany. Efa in-30, ohatra, fara fahakeliny, ny Vavolombelona no nisy nanafika, tamin’ny 2014. Mbola nandefa fitarainana fanampiny tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina ny Vavolombelon’i Jehovah. c

Azo inoana fa vao mainka hahatonga ny manam-pahefana hanaja ny zon’olombelona eran’i Géorgie ilay ezaka manokana natao tamin’ny Aprily. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah any, noho ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana hoe tsy hamela ny mpanao ratsy ho afa-maina intsony izy ireo. Manantena ireo Vavolombelona ireo fa hitana ny teniny ny fanjakana, ka hosaziny izay manao heloka bevava satria fotsiny hoe tsy tia olona hafa fivavahana.

a Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Gldani miady amin’i Géorgie, no. 71156/01, 3 Mey 2007.

b Begheluri sy ny Hafa miady amin’i Géorgie, no. 28490/02, § 145, 7 Oktobra 2014.

c Tsartsidze miady amin’i Géorgie, no. 18766/04: Fitarainana nalefa tamin’ny 26 Mey 2004, olona niharan’ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana na niharan’ny fanafihana fa tsy noraharahain’ny mpitandro filaminana. Biblaia sy ny Hafa miady amin’i Géorgie, no. 37276/05: Fitarainana nalefa tamin’ny 10 Septambra 2005, olona niharan’ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana na niharan’ny fanafihana fa tsy noraharahain’ny mpitandro filaminana. Tsulukidze sy ny Hafa miady amin’i Géorgie, no. 14797/11: Fitarainana nalefa tamin’ny 27 Janoary 2011, tsy nanao famotorana ny manam-pahefana sady tsy nanasazy an’ireo nandray anjara tamin’ireo fanafihana sivy notarihin’ny mpitondra fivavahana.